Politique

Raharaham-pirenena “Avoahy ny marina !”, hoy ny VFM


  • Talata 11 Oktobra 2011

Naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena, indrindra taorian’ny nahavitan’ny sonia ny tondrozotra, ny antoko Vato Fehizoron’i Madagasikara (VFM).

 Nambaran’i Lehimitova Sylvestre, sekretera jeneralin’ny antoko, fa mahoraka eto amin’ny firenena izao fa nahimpon’ireo mpanao politika akaiky ny FAT no nandehanany tany Afrika Atsimo. Volam-panjakana no nolaniana, hono, nefa ry zareo mpanohana samirery no nandeha ary tsy nahazo vahaolana nirina. Aiza ny fitsisiana amin’izany, hoy ny VFM ? Mahagaga ihany koa, hoy i Lehimitova Sylvestre, ny fanehoan-kevitr’ireo mpanao politika sasany, milaza ho “Centristes” na elanelam-panahy, fa “tsy mety atao praiminisitra ireo olona miandry famotsoran-keloka” kanefa ry zareo dia tsy manakiana fa efa mitondra firenena ankehitriny anie ireo olona lazaina ireo, sa tsy asam-panjakana ny asan’ny minisitra sy ny Kongresy ary ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Ny asan’ireo Lehiben’ny Faritra no tsy ananan’ireo “Centristes” fanakianana.

Elanelam-panahy ve ny olona ohatr’izany sa mpanohana ny tetezamita, araka ny fanamarihan’i Lehimitova Sylvestre hatrany. Notsiahivin’ny VFM koa fa resaka niala avy eto Madagasikara ny hoe : “fanombohana ihany ny fanaovana sonia ny tondrozotra, fa ny fitohizan’ny fifampidinihan’ny samy Malagasy no tena izy. Tokony hampahafantatra izany ho an’ireo izay manohana azy ny FAT mba tsy hisian’ny savorovoro ohatr’izao, hoy ny VFM. Ankoatra izay dia nanao antso avo amin’ny mpitandro filaminana ny VFM mba tsy hatao fitaovana politika fotsiny fa mba hijery ny tombontsoam-bahoaka marina.

Ny tsy fandraisanareo andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny fampiharana ny tondrozotra no mahatonga ny SADC handefa miaramila hanara-maso ny fampiharana izany, hoy ny VFM. Ny fampandeferana ny hambom-po ihany no zava-dehibe satria tsy ny Vahoaka 20 tapitrisa no nametraka teo amin’ny fitondrana fa ampahany ka aoka mba samy hiandry ny fifidianana vao mitompo teny hoe tiam-bahoaka sy ametrahany fitokisana, hoy i Lehimitova Sylvestre. Noho izany, hoy ity, farany dia tokony hazava, iza daholo no manohana ny FAT dia iza daholo koa no tsy mankasitraka azy ? Ampiharo arak’izay ny tondrozotra raha tsy te ho sahirana eto isika mianakavy. Marihina fa anisan’ireo antoko miara-dia amin’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana sady mpikambana ao amin’ny HTT na Hery Tosika ny Tolona ny VFM.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT