Raharaham-pifidianana depiote

Niroso tamin’ny fampiofanana ireo OVEC ny CENI


  • Alarobia 13 Martsa 2024

Niroso tamin’ny fampiofanana ireo mpikambana anatin’ny rafitra mpanamarina

sy mpirakitra ny filatsahan-kofidiana na ny OVEC (Organe de Vérification et d’Enregistrement des candidatures) ho an’ny Faritra Analamanga ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI omaly, izay maharitra 2 andro. Miompana amin’ny fikirakirana ny fifidianana solombavambahoaka hatao ny 29 mey 2024 ho avy izao io. Dingana iray lehibe ao anatin’ny fanatanterahana ny zotram-pifidianana ny fampiofanana, ka ny mpikamban’ny CED, ny mpitsara, ireo solontenam-panjakana, ka ny tanjona dia ny hahafahana mampita ireo soatoavina toy ny fanajana sy fifehezana ny didy aman-dalàna, ny fahamarinana, ny tsy fitanilana amin’ny kandida,… raha ny fanazavan’ny Filohan’ny CENI Atoa Dama Andrianarisedo. Ny OVEC eto amin’ny Faritra Analamanga no nanombohana izany, fa mbola hiitatra any amin’ny faritra, raha ny fanamarihana. Nampafantarina ihany koa ny andraikitra maha solontenan’ny ARNRCM (Autorité Nationale de Régulation des communications mediatisées) an’ireo OVEC, izay miompana betsaka amin’ny fandrindrana ny fidiran’ny kandida amin’ny haino vaky jery, ary teo ihany koa mazava ho azy ny pitsopîtsony fandraisana ireo antontan-taratasy filatsahan-kofidiana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT