Politique

Raharaham-panjakana Herinandro tsy misy filoha i Madagasikara


  • Alarobia 10 Jolay 2019

Any Egypte nanomboka tamin’ny lalao ampahavalon-dalan’ny CAN 2019 ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ombam-bady aman-janaka. Mbola hijery ny lalao rahampitso alakamisy hariva hiaraka amin’ireo delegasionina andiany faharoa izy.

 

 

 

Raha tafakatra amin’ny lalao manasa-dalana ny Barea, dia inoana fa mety mbola hijery sy hanohana azy ireo ny tenany, tahaka izany ihany koa ny famaranana. Ny azo antoka dia tsy misy ny filankevitry ny minisitra, izay rafitra mpanapa-kevitra ambony indrindra eo amin’ny fahefana mpanatanteraka satria ny filoha miaraka amin’ny praiminisitra sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta no manapaka izany. Anisan’ny fanapahan-kevitra heverina fa lehibe raisina ao anatin’izany ny fanendrena ireo mpiasam-panjakana ambony. Mbola miandry izany aloha ny fanendrena ny Tale jeneralin’ny Bianco, Tale jeneralin’ny CNaPS izay sampandraharaha manana ny maha izy azy. Ny olan’ny OTIV BOENY, izay nampanantenaina ireo olona nanana petra-bola efa voarirarira an-taonany maro ka nilazana fa ny 7 jona ny fe-potoana farany tsy nisy fivoarany intsony. Ny resaka vina sy fandaharanasan’ny filoha nambara fony propagandy moa dia efa tsy re tsaika intsony. Tena ilaina sy zava-dehibe ny fanohanan’ny filoha sy ny fanjakana ny ekipam-pirenentsika, izay adidiny rahateo. Tsy midika anefa akory izany hoe: atao ankilabao ny raharaham-pirenena satria any no mety hahazoan’ilay filoha laza politika sy manakona ny tondro mena rehetra amin’ny tsy fahombiazan’ny mpitondra. Toa zary lasa lasitra ho azy sy ny mpitondra tarihiny ny manararao-paty rehefa mivoaka tahaka izao. Herinandro eo ho eo hatrany no lany isak’izay mandeha. Misy minisitra ao anaty governemanta, toy ny minisitry ny fanatanjahantena Tinoka Roberto, dia toa tany Egypta foana hatramin’ny nanombohan’ny CAN 2019, fa fotoana kely fotsiny no nanaovana tsidi-pahitra teto. Etsy an-kilany, hivory amin’io herinandro ho avy io ny antenimieram-pirenena vaovao, izay toa takona tanteraka ka asa ihany koa izay hitranga ao.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT