Raharaha zom-pirenena

Nisintona ny fangatahany teny amin’ny HCC ny loholona IRD


  • Alarobia 27 Desambra 2023

Nisintona ny fangatahany teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC

indray ireo Senatera IRD. Raha tsiahivina, dia nisy ny taratasy fangatahana nateriny ny harivan’ny 8 septambra 2023 nanontany momba ilay andiny faha-42 amin'ny Hitsivolana laharana 60-064 tamin’ny 22 jolay 1960 mikasika ny Zom-pirenena Malagasy raha mifanaraka amin’ny lalampanorenana na tsia. Vary mangatsiaka teo anivon’ny HCC io, tsy nisy tohiny telo volana mahery. Ireo izay nilaza fa tsy mifanaraka ny lalàmpanorenana io, nentina niarovana an’Atoa Andry Rajoelina, rehefa vaky am-batolampy nanomboka ny fiandohan’ny jona 2023 ny dosie milaza fa mizaka ny zom-pirenena Frantsay i Andry Rajoelina nanomboka tany amin’ny novambra 2014. Telo volana ary aoriana, ny 15 desambra 2023, niverina nametraka taratasy saingy fisintonana io taratasy fangatahany io teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana Ambohidahy ny Senatera isany Tsiebo Mahaleo Richard Victor, Ndremanjary Jean André, Mahonjo Hugues Laurent, Ramanambitana Richard, Andrianandrasana Hajaniaina, Seramila Avizara Mino, Fernand Eddie Serge, Alidy Bin Soufou ary Rasolondratsimba Raymond ary dia neken’ny HCC izany. Inona no tsy namoahan’ny HCC fanapahana mikasika an’iny ? Raha hiverenana, nandritra ny famoahana didy raikitra nilaza ny fahalanian’i Andry Rajoelina ho Filoham-pirenena indray, dia nilaza ny HCC, fa nanontany ny sekreterea jeneralin’ny governemanta ny HCC ny 8 septambra. Hatreto aloha, hoy ny HCC tamin’izany, dia mbola tsy nisy didim-panjakana ho fampiharana ny andininy faha-42, tsy mbola nisy didim-panjakana manala ny zom-pirenena ho an’ireo 28 nilatsaka hofidiana. Efa nekena fa kandida feno, ary efa nisy didin’ny HCC ny 22 aogositra, fa ny hitsivolana 60-64 tamin’ny 22 jolay 1960 no mamaritra ny fepetra ny fahazahoana sy fahaverezan’ny zom-pirenena Malagasy. Hamarinina amin’ny didim-panjakana izany, ka ny tsy fisian’io no nentin’ny HCC niarovana an-dRajoelina. Efa tratra ny tanjona, efa azo ny fahefana, ka aleo tsoahana amin’izay fanontaniana fa tsy dia ilaina intsony ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT