Raharaha tranonkalan’ny CENI

Nosamborina, atao sorona i Jean Luce Randriamihoatra…


  • Alatsinainy 23 Desambra 2024

Nosamborina omaly alahady maraina Atoa Jean Luce Andriamihoatra noho ilay raharaha nambara fa fisiana

piratage » amin’ny tranonkalan’ny CENI. Mpikirakira ny tontolon’ny informatika sy mpaneho hevitra arahina fikirakirana antontan’isa toy ny tamin’ny resaka « ordonnances » sy io resaka voka-pifidianana mampifanditra io no isan’ny hahafantarana azy. Tsy misorona eo anatrehan’ny fahitany sy fahatsapany zavatra tsy mety, ary tena mahitsy fiteny eo anatrehan’ny heveriny fa tsy fanjariana ataon’ny fitondram-panjakana. Isan’ny antso avo nataony ny fanairana ny foloalindahy eo anatrehan’ny ahiahy mikasika ny « ordonnances » izay nambarany fa isan’ny ivon’ny fangalaram-bato. Isan’ny nanao fanambarana haingana dia haingana ny zandarimariam-pirenena, ka nitompo teny fantatra avy hatrany nanameloka ny zava-nisy mikasika ny tranonkalan’ny CENI. Naneho hevitra mikasika izany Atoa Jean Luce Randriamihoatra ka nilaza hoe : « Lera, ô ry be baoty ! Ka ny CENI Madagascar mihitsy anie no namoaka io voka-pifidianana io mahatalanjona zarain’ny rehetra io e ! Dia sahy handà an’izany ve ianareo ry Gendarmerie Nationale-Madagascar ka tsy hijery ifotony fa hampihorohoro indray ? ». Dia iny fisamborana iny moa no nitranga. Tsy resaka fiarovana an’Atoa Jean Luce Randriamihoatra fa mampametra-panontaniana ihany hoe : tena ity teknisianina ity ve no afaka hiditra amin’ny tranokalam-panjakana izay heverina fa tena stratejika ary nandaniana vola tsy toko tsy forohana ? Nahoana no tsy ireo teknisianina ara-informatika avy teo anivon’ny CENI no nampitenenina sy niteny avy hatrany fa ny rafitra avy aty ivelan’ny CENI no niditra an-tsehatra ? Ahoana ny mikasika ireny karazana fanamarihana avoakan’ny mpahay informatika ivelan’ny Fanjakana izay maneho fa rehefa natao ny karazana fitsirihana dia tsy hita taratra ny fisiana fidirana sy « piratage » ? Andrasana ny fanazavana ofisialy mikasika ny vesatra hanenjehana an’Atoa Jean Luce Randriamihoatra satria manana ny heveriny ho marina ihany koa ny mpisambotra sy ny mpanenjika. Betsaka kosa no maneho fa hatao sorona na « bouc émissaire » ny tenany. Tafiditry ny resaka politika rahateo moa izy ity, fa tsy mijanona fotsiny amin’ny lafiny teknika. Na inona na inona fanazavana sy fanenjehana na fanapenam-bava na fanagadrana, dia miharihary fa tsy mipetraka intsony ny fifampatokisana mikasika ny fifidianana eto, ary mety ny basy no hampitenenina aoriana kely hampanenkena izay tiana ho lany fa tsy ny safidim-bahoaka intsony, raha tarafina amin’ireo tsy fanjariana sy fandikan-dalàna maro samihafa iniana hikipiana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT