Raharaha Ravatomanga

Andrasana ny didy fanamelohan'ny fanjakàna malagasy


  • Alakamisy 30 Jolay 2026

Raha ny vaovao voaray dia

handinika indray ny fahafahan'ilay mpandraharaha malagasy, Mamy Ravatomanaga, vonjimaika anio ny BRC na "Bail and Remind Court" ao Maorisy, izay firenena ifonjàn'ity mpandraharaha ity hatreto. Raha manaiky arak'izany ny BRC dia afaka mivoaka ny fonja izy mandra-pahatongan'ny fotoam-pitsaràna ny raharaha saingy mila manaraka ireo fepetra ao anatin'izany. Tsy hiatrika ny fitsaràna mivantana izy ho an'izay anio izay fa handray anjara amin'ny alalan'ny "visio-conférence" na ny fitsaràna ampitain-davitra, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Hatreto ihany koa aloha izany dia ny fanjakàna maorisianina sy ny vahoaka maorisianina no misitraka ny fampiasàna ny heverina fa harena azo tamin'ny fomba tsy mazava na "Biens illicites" nogiazana tamin'ity mpandraharaha ity. Ny fanjakàna malagasy kosa, raha ny fampitam-baovao voaray farany aloha, dia tsy namoaka afa-tsy didy fampisamborana iraisampirenena hatreto. Isan'ny adihevitra mipetraka ny hoe angaha moa tsy mbola voamarina hoe meloka izany ity mpandraharaha ity no tsy navoakan'ny fanjakàna malagasy ny didy fanamelohana azy? Tsy afaka mitory ny fanjakàna malagasy noho io fepetra noraisiny tamin'ny orinasa Sodiat io ve izany, ohatra, ny fianakavian'ity mpandraharaha ity noho izay antony izay? Andrasana, araka izany, ny didy fanamelohan'ny fanjakàna malagasy ity mpandraharaha ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT