Raharaha Ratsimandrava

Nangataka fanokafana fanadihadiana ry Rossy


  • Talata 20 Febroary 2024

Herinandro mahery kely taorian’ny fahatsiarovana ny faha-49

taona namonoana ny kolonely Richard Ratsimandrava ny 11 febroary teo, tonga nanatitra taratasy mikasika ny fangatahana fanokafana fanadihadiana momba ny namonoana an’io filoham-pirenena maty am-perin’asa io teny amin'ny Ministeran'ny fitsarana ny fikambanana miaraka amin'ny depiote Paul Bert Rahasimanana na Rossy. Notanterahina izany hoy ity farany, taorian'ny fanambaràna nataon'ny filoha Didier Ratsiraka, hafatra napetrany talohan'ny hahafatesany, ka nitondra porofo sy "faits nouveaux" nanononany anarana vavolombelona mbola velona ary tsy mbola nanontaniana. « Vitako ny adidiko araka ny fangatahanareo mpikambana. Adidin'ny fitsarana sisa. Mbola eto isika hanohy ny tolona natomboky ny zokibe Ratsimandrava ho an'ny fokonolona, ny fanapariaham-pahefana ary ny fiarovana ny harem-pirenena », hoy ny depiote Rossy. Tsara ihany koa ny manamarika, fa hisy ny famelabelaran-kevitra sy fijoroana vavolombelona mikasika ny raharaha Ratsimandrava rahampitso 21 febroary tolakandro manomboka amin’ny 2ora, ka ny tapany voalohany dia ny Jeneraly Ramakavelo Désiré sy Ratsimandrava Danielle zanaky ny kolonely Ratsimandrava no hiresaka, ary ny tapany faharoa kosa dia ny mpahay tantara Rakotonaivo Danielle.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT