Politique

Raharaha politika mafana “Omeo ny firenena mikambana ny fanadihadiana”, hoy i Arlette Ramaroson


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

“Tsy nisy nanana finiavana ireo mpitondra nifanesy teto amin`ny firenena ary eo no antony tsy nisian’ny fanadihadiana tamin`ireo raharaha mafàna teto amin`ny firenena izay namoizana ain`olona maro”,

 

 hoy i Arlette Ramaroson, mpahay lalàna iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin`izany ny raharaha nahafatesan`ny kolonely Ratsimandrava, 10 aogositra 1991, ny krizy 2002, krizy 2009… Fanontaniana napetrany moa hoe “iza no nanapoaka an`ireo ? Iza no namono an`ireo olona ireo ?” Tsy hisy ny fampihavanam-pirenena satria malahelo ny olona manana maty ao aminy. Noho izany, ny fototry ny fampihavanam-pirenena dia ny fitsarana, hoy izy. Noraisiny ohatra ny tany Rwanda. Fototry ny fampihavam-pirenena tany amin-dry zareo  dia notsaraina avokoa ireo olona. Vokany, firenena voalohany aty Afrika i Rwanda. Mitaky ny famotorana, ity mpahay lalàna iraisam-pirenena ity, ary nilaza mihitsy fa rehefa tsy mahavita azy isika Malagasy dia ao ny Firenena Mikambana afaka manao fanadihadiana. Antoka ho amin`ny ho avy mamiratra izany. Ny tsy fanaovana izany dia  sakana ho an`ny fampnadrosoana sy ny fampihavanam-pirenena, hoy hatrany ity mpahay lalàna iraisam-pirenena ity.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT