Raharaha Nosy manodidina

Tena mamofompofona fifanarahana fiaraha-mitantana...


  • Alakamisy 03 Jolay 2025

Tsy tena mazava ny akon'ny fivoriana mikasika ireo Nosy Malagasy natao tany Frantsa

ny 30 jona. Nisy ihany ny karazana tatitra niparitaka, saingy milaza kosa ny iray tamin'ireo solontena Malagasy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, fa tsy maintsy hatao ny mitondra fanazavana mba hialana amin’ny fandroritana resaka sy "spéculations". Tao anatin'ny akon'ny fivoriana no nahitana fizaram-baovao nataon'ireo haino aman-jery mpanohana Fitondrana toy ny hoe: fitakiana fampiantoana ny fandraisana fanapahan-kevitra samirery mikasika ireo Nosy, mandram-piandry ny hisian’ny vahaolana ifanarahana. Fanohizana ny fifanakalozan-kevitra mba hahatongavana amina vahaolana am-pilaminana ; fametrahana lasitra ankapobeny momba ny fiarahamiasa eo amin’ny firenena malagasy sy frantsay ; fametrahana fomba eken’ny roa tonta amin’ny fanarahamaso sy fifampidinihana ; famelana malalaka ny mpanjono malagasy hanjono amin’ny fari-dranomasin’ireo Nosy Malagasy ireo toy ny efa nataon’ireo razambeny tany aloha; Fanonerana ny fahavoazana sy fahaverezana ara-toekarena nahazo an’i Madagasikara nandritra ny taona maro tsy nisitrahany ny fiandrianana amin’ireo Nosy Malagasy ireo; fandraisana anjaran’ireo mpikaroka malagasy amin’ny asa fikarohana rehetra atao amin’ireo Nosy Malagasy ireo; Fahafahan’ireo mpikaroka malagasy hijery ireo antontan-kevitra rehetra mikasika ny fikarohana izay efa vita tany amin’ireo Nosy Malagasy ireo. Miandry ny fanambarana iraisan’ireo delegasiona Malagasy sy Frantsay aho vao afaka hitondra votoatin’ny fivoriana mikasika ireo iles Eparses, hoy ny loholona Lalatiana Rakotondrazafy, izay isan’ireo delegasiona tany Frantsa. Tsy maintsy hatao ny mitondra fanazavana mba hialana amin’ny fandroritana resaka sy «spéculations ».
FIARAHA-MITANTANA…
Andaniny, ireo famoaham-baovao vahiny toy ny RFI, France 24, TV5 Monde,.. eny fa na ny teto aza nisy nitatitra fa nisy sonia « fehin-kevitra iombonana » (document cadre / feuille de route) mamaritra fomba sy daty hanohizana ny fiaraha-midinika ara-teknika sy ara-pôlitika. Tanjon’izany ny hamaritana fomba fitantanana iombonana (gestion partagée) amin’ireo nosy sy fari-dranomasina manodidina. Nanaiky hifampidinihana momba ny fihariana sy fiarovana tontolo iainana. Hanangana vondrona teknika (groupe de travail technique) amin’ny jono, fiarovana ny biodiversité, angovo, fanabeazana sy fikarohana ; tsy nanaiky ny Frantsay fa an’i Madagasikara tanteraka ireo nosy, fa manaiky hiresaka « fitantanana iombonana » (gestion partagée). Mety hisy fihaonana eo amin’ny Filohan’i Madagasikara sy Frantsa amin’ny faran’ny taona. Kendrena hifanarahana modely « partenariat » manaraka. Nambaran’ireo mpanara-baovao fa “diplomatika sy malefaka” ny fiteny amin’izao dingana izao. Tsy mbola vahaolana farany, fa « dingana manan-danja amin’ny fifampitokisana ». Mirona any amin’ny fisorohana ny fitakiana amin’ny fitsarana iraisam-pirenena, fa hiezaka hampifanaraka tombontsoa roa tonta. Tsy mbola voavaha ara-dalàna hoe « an’i Madagasikara tanteraka » ireo nosy, fa mamofompofona fiaraha-mitantana izay efa nambaran'ireo sehatra lehibe toy ny mpampianatra mpikaroka nialoha fa famadihan-tanindrazana, raha sanatria ka izay. Andrasana izay ho tena tatitra ofisialy sy fanambarana iraisana...
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT