Politique

Raharaha Ninie Donia Hivoaka rahampitso ny didy


  • Alatsinainy 24 Aprily 2023

Nizotra ara-dalàna ny fotoam-pitsarana ilay mpanakanto sady mpitarika ny fikambanana Zafinifotsy, Ninie Donia, ary tsy nisy teritery,

hoy ny fampitam-baovao azo avy any Nosy be . Raharaha miisa 2 samihafa fa notsaraina niaraka no nandeha. Ny iray dia fitoriana «réciproque» na fifanolanana teo amin’i Karany Assanaly sy ny fikambanana Zafinifotsy . Nisintona ny fitoriany noho ny fihavanana ny andaniny. Ilay raharaha faharoa kosa dia ny JIRAMA sy ny fanjakana no mpitory. Fandavana didim-pitsarana na «Ordonnance» sy fitarihana olona hikomy nandritry ny fandrodanana trano tany Daresalam no antony voalaza. Tamin’ny 5 ora maraina ireo olona ireo efa tany fa izaho tsy naharaka ny zava-misy satria mbola nanaovana fanohanana io toerana io, hoy i Ninie Donia. Azo arahi-maso amin’ny Telma fa tamin’ny 8 ora mahery aho vao naharaka nefa ny vahoaka efa tonga tany daholo, hoy izy raha nitondra fanazavana nanoloana ireo mpitsara ny 16 jona 2022 no nampidirina am-ponja i Ninie Donia sy ireo namany miisa 16. Nivoaka ny didim-pitsarana ary nanao fampakarana ny tenany ka nahazo fahafahana vonjy maika avy any amin’ny fampanoavana na «Cour d appel» tao Antsiranana ny 4 oktobra 2022 fa tsy neken’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Nosy be. Na dia tao anatin’ny tsy fahasalamana aza ity mpanakanto ity dia vao maika nomen’ny fitsarana ao Nosy be didy famonjana vaovao indray ny 5 Oktobra 2022 . Hivoaka anio talata 25 Aprily 2023 ny didy mikasika ilay fandavana didim-pitsarana sy fitaomana olona hikomy tamin’ilay fandrodanana trano tao Daresalam, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT