Politique

Raharaha Mbola Rajaonah Mitombo isa ireo mitaky ny hivoahan’ny rariny


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Fikambanana miisa 20 mahery ny sabotsy teo no niray feo mitaky ny hivoahan’ny rariny momba ny raharaha Mbola Rajaonah.

 

Araka ny fanazavan’izy ireo dia anisan’ireo nisitraka ny asa soa nataon’ity mpandraharaha ity ireto fikambanana ireto ary mahita fa tsy rariny ny fitazomana azy eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy ankehitriny. Aoka hatsahatra amin’izay, hoy izy ireo, ny valifaty politika. Izany “abus de bien sociaux” izany dia voasokajy ao anatin’ny antsoina hoe “délit” fa tsy “crime” ao anaty lalàna. Resaka “infraction douaniere” izany koa tsy tokony hitazomana azy any Tsiafahy. Miangavy ny fitsarana mahefa sy ny mpitondra fanjakana izahay, hoy hatrany ireto fikambanana ireto, mba hamoaka ny didim-pitsarana sy araka ny tokony ho izy. Raha misy porofo ireo heloka hiampangana azy dia tsy mampaninona anay fa raha tsy izany kosa dia matoky ny fitsarana izay fantatray fa nandany andro teny amin’ny anjerimanontolo izahay, hoy izy ireo, fa tsy hanao fitsarana mitanila.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT