Misy ambadika na hoe “manoeuvre” politika ny raharaha Mbola Rajaonah, hoy ny avy eo anivon’ny fikambanana Soluma sy Fitoniana tour, raha nanazava mikasika izany omaly.
Antony, hoy i Berija Ravelomanantsoa, filohan’ny Soluma, dia raha nosamborina izy ny 13 febroary teo, izay tsy ampy 1 volana no nandraisan’ny filohan’ny repoblika fahefana dia resaka seky tsy misy anto-bola no antony sy nanadihadiana azy teny amin’ny borigady misahana ny heloka bevava Anosy. Rehefa nanontany izahay hoe inona no anton’ny fisamborana tsy nisy fiantsoana sy alalana na “mandat d’arrêt” dia baiko avy any ambony no valiny. Tonga ny ampitso maraina dia nisy polisy avy any Toamasina tonga tao aminy mikasika iny resaka seky iaraha-mahalala ankehitriny fa tsy misy porofo ahafahana mitazona azy iny. Akory ny hagagana, hoy ny fanazavana, fa nivadika resaka fanararaotana fananana iombonana na “abus de bien sociaux” indray ilay izy nony tonga tao amin’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly na PAC ny 14 febroary. Lazaina fa nisy resaka famotsiam-bola koa anefa vola amin’ny anarany eo ilay resaka ary nentina teo anoloan’ny mpitsara ny taratasy manamarina fa an’ny orinasany Tafaray izany. Izany hoe raha misy mpandraharaha tanora eto, hoy Berija Ravelomanantsoa, ka manam-bola sy orinasa dia miomana fa ho any Tsiafahy. Faharoa, ilay hoe resaka fahadisoana tany amin’ny Ladoany na “infraction douanière”, izany hoe, taratasy mifamadika dia mahagaga koa fa efa mipetraka tany amin’ny fitsarana na “juge d’instruction” ny taona 2015 io saingy tsy nisy fiantsoana mahakasika azy ary tsy nisy fampiantsoana fanadihadiana. 4 taona aty aoriana vao nisy izany indray kanefa ilay izy hoe “délit”. Ny “délit” anefa, hoy izy, rehefa tsy nenjehina tao anatin’ny 3 taona nisiany dia efa naman’ny tsy nisy. Antony hilazana fa nisy tsindry politika koa dia satria nandefa teratany vahiny handresy lahatra an’andriamatoa Mbola Rajaonah ny filoham-pirenena ankehitriny, hoy hatrany i Berija Ravelomanantsoa, mba hanohana azy amin’ny fifidianana. Miantso ny fanjakana mba hamela ny fitsarana hiasa noho izany izy ireo ary angatahana hoy ny filohan’ny Fitoniana Tour, Sambahita, mba havoaka ity mpandraharaha ity satria tsy misy porofo azo hiazonana azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.