Tsy miova amin’ny foto-pisainana nijoroany amin’ny fankahalana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny mpanao politika Voninahitsy Jean Eugène.
Omaly izy dia nampiseho niharihary izany indray tao amin’ny radio tsy miankina iray eto an-drenivohitra. Nilaza ho mpanao politika efa niova fo moa ity mpitarika ny vondrona Les As ity raha nanambara ampahibemaso fa Kristianina tsy mitana alahelo amin-dRavalomanana ny tenany. Taitra tampoka toy ireo namany hafa koa anefa izy raha nahare ny fanambarana nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa hanangana labatoara famonoana omby eny Andohatapenaka. Nolazainy fa fanaovana zinona ny fitondram-panjakana izay efa notsipahany am-bavafo noho ny fametraham-pialana nataony tsy ho mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena intsony izany, tsy ela akory izay. Nanao antso avo izy fa tokony hosamborina Atoa Marc Ravalomanana. Tsy lanin’ny vavonin’i Voninahitsy hatreto ny niverenany an-tanindrazana. Nandritra ny naha tsy teo an’ity farany dia tsy hita izay zava-natsangan’i Voninahitsy ho an’ny vahoaka sahirana. Tsy nahatsangana na dia tamingana orinasa iray dingana ho an’ny tanora malagasy aza. Nampirisika adim-poko koa i Voninahitsy. Nambarany fa namono « côtier » maro dia maro i Marc Ravalomanana. Tsy fantany angaha fa maro ireo mpanolotsaina manodidina an’ity filoham-pirenena teo aloha ity no avy any amin’ny sisiny raha tsy hitanisa afa-tsy ry Botozaza Pierrot sy ry Zafilahy Stanislas fotsiny isika. Izany no fomban’ny mpanao politika malagasy tsy manan-kevitra !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.