Politique

Raharaha Mara Niarisy Hampiady ny depiote sy ny foloalindahy


  • Alakamisy 26 Novambra 2015

Maro amin’ireo depiote manana raharaha tsy dia madio loatra no matahotra ny hanesorana ny tombontsoa manokan’izy ireo na “ immunité parlementaire” raha sanatria ka esorin’ny birao maharitra ny an’ny depiote Mara Niarisy.

 

 

Nitranga ny nahiana fa mety hifandona ny  mpitandro ny filaminana sy ny depiote momba ny fanadihadiana ny raharaha nahakasika ny depiote Mara Niarisy. Vita ny fanadihadiana nataon’ireo depiote  sy  ny solontenan’ny governemanta niaraka tamin’ny  mpitandro ny filaminana sy  ireo  mpitsara sy ny mpitondra fanjakana sivily  avy ao Toliara. Raha ny fehin-tenin’ny  mpitandro ny filaminana dia nandika lalàna ny i Mara Niarisy ka tokony hoesorina aminy ny « immunité  parlementaire ».   Nandritra  ny  fanadihadiana dia maro ireo olona te hitondra ny fitarainany tamin’ireo depiote nanao ny fanadihadiana saingy tsy nohenoina, hoy ny  mpitandro ny filaminana. Nisy ihany koa fotoana nanaovan’ny depiote fanadihadiana ireo  nanana omby tratra tao  amin’ny  depiote  Mara Niarisy saingy tsy navelan’ireo  nihaino ny  mpitandro ny filaminana sy ny mpitsara  ka nahatonga ny fifamaliana. Mitanila  ny fanadihadiana nataon’ny Antenimieram-pirenena satria  ireo  depiote   nanao izany dia ao an-tranon’i  Mara Niarisy  ihany no misakafo sy matory. Izy koa  manatrika ny  fanadihadiana rehetra  izay atao. Teo  am-pamaranana ny  fanadihadiana dia nangataka ny  hamoahana ireo olona valo notanana vonjimaika sy ny amoahana  ireo  omby 85 tsy  misy taratasy sy ny basy tsy  misy taratasy  ireo depiote  izay tsy maintsy  hanambara fa tsy meloka ny namany. Eo  imason’ny  mpitandro ny filaminana kosa anefa dia meloka i  Mara Niarisy  ka ho hita eo ny ho fanapahan-kevitry ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena na hanala ilay  « immunité parlementaire » na tsia. Miankina betsaka amin’izay ny fipetrahan’ny fifampitokisana eo  amin’ny foloalindahy sy ny fahefana mpanao lalàna.  Andrasana koa izay  mety ho  fanelanelanana hataon’ny  fahefana  mpanatanteraka dia ny  Filoham-pirenena sy ny praiminisitra . Tsy maintsy  hifampiaro ny  depiote kanefa  tsy  handefitra  manana ny rariny koa ny mpitandro ny filamanana satria  raha sanatria   ka misy  fisafidianana tavan’olona amin’ny fampiharana ny lalàna dia ho tonga amin’izay ny  samy maka ho azy  sy ny gaboraraka ary dia ho rava ny fanjakana. 


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT