Politique

Raharaha Mahery Lanto Manandafy Raikitra ny antso fanambaran-kery


  • Talata 11 Oktobra 2022

Tsy voaray tao amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava na ny BC Anosy ny fitoriana nokasain'ny vadin'i Mahery Lanto Manandafy hapetraka omaly.

Fitoriana noho ny fandrahonana ho faty nataon'ilay teratany vahiny iray tamin'i Malama. Nambaran'ireo polisy tokony handray ny fitoriana fa mila apetraka eny anivon'ny fitsarana izany. Heverina fa misy ny tsindry satria raha ny lojika, tokony ho azo noraisina tsara, ary ny dosie sy ny famotorana avy ao no isan’ny atolotra hiasan’ny fitsarana avy eo. Tsara ny mampahatsiahy, fa misy depiote sy mpitandro ny filaminana miasa eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika notononin’I Mahery Lanto Manandafy. Sao mba isan’ny antony handrirarirana ny fitorian’I Mahery Lanto Manandafy? Tsy nandeha irery ny vadiny fa nisy ireo mpanotrona, nanao fanamiana maneho fa ao anatin’ny tolona izao, nanamarika izany ny loko mena,… Nisy ny fanambarana iraisana nataon’ireo vondron’olona maro tonga tetsy Anosy omaly naneho fa manameloka: ny fampidirana am-ponja ireo mpampaneno lakolosy, ny fandatsahan-dra sy ny fampiasana fitaovam-piadiana (basy, bala) hamonoana ny mpiray tanindrazana, ny fanitsahana ny zo fototry ny vahoaka hisitraka vaovao ary ny zon’ny tsirairay amin’ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra. Mitaky fitsarana marina sy tsy mitanila eto amin’ny Tany sy ny Firenena fa tsy fitsarana ialokalofan’ny mpanambola sy ny tsimatimatimanota. Mitaky ihany koa ny fametrahana Fanjakana tena tsara tantana hanjakan’ny mangarahara ka hametraka ho laharam-pahamehana ny tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka. Noho ireo rehetra ireo, mitaky ny famoahana tsy misy fepetra an’I Mahery Lanto Manandafy sy izay mpampaneno lakolosy nampidirina am-ponja vonjimaika noho ny famoahany vaovao tamin’ny tambajotran-tserasera izy ireo, ary tafiditra ao anatin’izany ihany koa I Stan’ley Ramarivelo. Niantso famondronan-kery avy amin’ny Malagasy sy ny herivelona rehetra tsy mankasitraka ny jadona sy ny tsimatimanota hiray feo sy fo aminay. Niantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena hijery akaiky sy hanameloka ny raharaha ihany koa ireo rehetra tonga nanohana an’I Mahery Lanto Manandafy omaly.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT