Politique

Raharaha mafampana ao Toliara Havoaka anio i Andry Biahary ?


  • Talata 20 Desambra 2022

Tapitra ny fe-potoana 48 ora nomen’ireo Tokobetelo ikambanan’ny foko Tanalana 3 dia ny Tevondrone, Temilahehe sy Temitongoa sy ny fianakavian’I Andry Biahary,

ny mpino silamo, miampy ireo mpisitraka tombotsoa aminy, mba hamoahana azy sy hamerenana azy ao Toliara, taorian’ny nisamborana azy ny 15 desambra teo, ary nentina nogadraina ao amin’ny fozan’Ankazondrano Fianarantsoa, nanomboka ny 16 desambra. Raha hiverenana, isan’ny antony nisamborana azy ny fanaovana tsikera sy fampanenoana lakolosy, ka isan’ny lehibe tamin’izany ny raharaha “trottoir” voalaza fa ana teratany karana, izay nambarany fa misy tafiditra amin’ny arabe. Naneho fa tsy manaiky amin’ny tsindrihazolena sy ny tsy rariny atao amin’ny Malagasy ao Toliara ny tenany. Fisamborana no setriny, ary voalaza fa ao ambadik’izany ilay teratany vahiny. Omaly, nanao fanambarana indray ireo mpanohana azy ka naneho fa niantso ny Fanjakana amin’ny hamotsorana an’I Andry Biahary. “Vonona izahay hananatra azy raha misy ny tsy mety izay nataony”, hoy ireo Raiamandreny ao Toliara. “Raha tsy mazava ny resaka dia eto indray isika, ny tanjontsika dia Biahary tafaverina eto. Tsy any Fianarantsoa irery no misy tribonaly na fitsarana fa misy ihany koa eto”, hoy kosa Atoa Sazalahy Tsianihy, Mpitarika ny RMDM ao Toliara. Tsy tokony hifanao an’izao, lasa eritreretinay fanivahivana ny fitakiana ataonay ny fihetsikareo, hoy ireo mpiara-dia aminy. Naneho ny Mpianatra sasany ao Maninday, fa olon-tsotra sady akaiky ny vahoaka ity nosamborina ity. “Manantena ny fahendren’ny mpitondra mba hivoaka, raha tsy mivoaka izy dia handray fepetra izahay, hanao barazy…”, hoy ny fanambarana. Nanao be fiavy teny anoloan’ny Lapan’ny tanànan’I Toliara moa ireo olona, ary efa niantrana teny ny mpitandro ny filaminana. Manambana ny hiditra amin’ny fitakiana mafimafy kokoa ireo mpanohana an’I Andry Biahary, eo anatrehan’ny tsy famoahana azy. Mafanafana noho izany ny ao Toliara.


Raha ny vaovao vonjimaika azo halina, dia nisy ny fanomezan-toky sy “décharge” nataon’ny mpitan-kazomanga Marin teny amin’ny Prefektiora fa tena hananatra an’I Andry Biahary ka mety havotsotra rahampitso ny tenany. Andrasana anefa raha izay tokoa no hiseho anio na zavatra hafa!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT