Politique

Raharaha Lola Rasoamaharo Mifono politika avo lenta


  • Alatsinainy 12 Jona 2023

Tsikaritra ho «nanao diabe» na sanatrian’izany tonga amin’ilay fomba fiteny hoe nampanaovin’ity fitondrana ity «défilé»

nifandimby niditra am-ponja daholo ankehitriny ireo nametraka izany fitondrana Rajoelina izany hatrany amin’ny taona 2009. Raha tsy hanonona afa-tsy ireo tena nalaza toa an-dry Berija Ravelomanantsoa, Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, Mbola Rajaonah, Mahery Lanto Manandafy dia izao izany tafiditra koa ny filoha tale jeneralin’ny La gazette de la grande Ile, Lola Rasoamaharo. Rehefa narahana akaiky anefa ny raharaham-pitsarana isan’isany dia hita ho mifamahofaho tanteraka sy manjavozavo be ihany hoe inona marina moa izany ilay tena votoatiny tsy amoahana azy ireo ny fonja hatramin’izao? Ny renin’izany Berija Ravelomanantsoa izany, ohatra, tsy nitsahatra nikaikaika fa efa tapitra ny fe-potoana voalazan’ny lalàna tokony hitazomana azy. Ry Rolly Mercia efa nambaran’ny fianakaviany sy ny mpisolovavany fa tsy salama. Ny raharaha Mbola Rajaonah koa efa nandrenesam-peo efa ela fa efa tokony namarana ny saziny ary Mahery Lanto Manandafy moa iny niaraha-nahita efa tafavoaka iny dia nampidirina indray avy eo. Misy tsiambaratelo goavan’izao fitondrana izao mety hanahirana raha avoakan’ireo olona ireo ve sa inona ilay antony fa dia hita ho mifono politika avo lenta toy izany koa aloha ity raharaha Lola Rasoamaharo ankehitriny ity? Nisy vondrona nanaparitaka vaovao mihitsy moa ny faran’ny herinandro teo fa sarintsariny ihany ny fitsarana natao tamin’ity tompona orinasa fanaovan-gazety ity fa ny valim-pitsarana dia efa fantatra mialoha ary mpandraharaha malagasy goavana iray no efa mamaritra ny amin’ny tokony hahazoan’izany Lola Rasoamaharo izany ny sazy faran’izay enjana sy haha lo azy tanteraka any am-ponja ary ho avoaka mialohan’ny fametraham-pialan’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, izany didim-pitsarana izany satria mety ho vita tanteraka ny amin’io mpandraharaha io raha toa ka tsy ho lany fanindroany intsony ny filoham-pirenena ankehitriny. Asa aloha fa dia ho arahana akaiky eo indray izany ny momba izay na ho hamarinin’izao fitondrana izao na hodisoany. Miandry ny fivoaran’ny toe-draharaha ny mpanara-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT