Politique

Raharaha Labatoara Tratra ny laingaben’ny fanjakana


  • Talata 27 Oktobra 2015

Rariny raha tsy mahatoky antsika ny mpamatsy vola satria ny mpitondra faratampony mihitsy no manao ny tsy mety sy manao fitantanana sampona.

Valy boraingina no nataon’ny praiminisitra omaly dia ny hoe efa an’ny Seimad ny tany dia izay fa tsy misy adihevitra be. Nipasoka ny efa malama kosa ny minisitry ny fanajariana ny tany ka nanantitrantitra fa misy tetikasa goavana haorina eo amin’ny tanin’ny labatoara ka hanomboka tsy ho ela ny asa.

 

Amboletra sy fanamparam-pahefana

Mazava tsara anefa ny taratasy ofisialy fa ny talata 20 oktobra 2015 lasa teo, izany hoe ny andro nidinan’i Marc Ravalomanana teny Andohatapenaka vao nihazakazaka nanamboatra ny taratasy manamarina ny maha an’ny Seimad ny tany misy ny labatoara eny Andohatapenaka ny fanjakana tamin’ny alalan’ny sampandraharahan’ny fananan-tany, io ilay antsoina hoe :   « certificat d’immatriculation et de situation juridique ». Ny alarobia 21 oktobra vao noraiketina teny amin’ny sampandraharahan’ny hetra boriborintany voalohany io taratasy io ary ny alakamisy 22 oktobra vao vita ny sonia milaza fa an’ny Seimad ny tany. Fahagagana tsy misy ohatr’izany, vita tao anatin’ny 3 andro monja ny fanamboarana ny taratasy rehetra momba ny fanovana ny tompon’ny tany raha toa ka amam-bolana na an-taonany mihitsy aza ny olon-tsotra vao mahavita izany miampy ny fivezivezena efa tsy lazaina intsony. Tsy takon’afenina intsony eto fa nampiasaina ny fahefam-panjakana mba hanafainganana ny fanamboarana ny taratasy ka handrombahana ny tany izay fananan’ny Tiko.

 


 

« Permis » vorontsiloza

Ankoatra izay tsy misy filazana mazava sy mangaraharaha hoe efa manana fahazoan-dalana handrava (certificat de démolition) ny Seimad kanefa dia efa nandrava ny rindrina mijoro tao amin’ny tanin’ny labatoara nanomboka omaly maraina ary niambina teny an-toerana ny emmo reg. Nanamafy ny mpisolovava ny orinasa Tiko fa tsy nisy mihitsy ny fampilazana azy ireo mialoha fa omaly vao azo avy any amin’ny Seimad ny taratasy rehetra. Kitoatoa miampy fanamparam-pahefana no mahafintina tsara ity tranga ity ary azo sokajiana mihitsy fa fahazoan-dalana vorontsiloza natao maimaika no nentina niasa. Mibaribary koa eto fa taorian’ny nandehanan’Atoa Ravalomanana nijery ny tany teny Andohatapenaka sy nilazany fa hanorina labatoara manara-penitra eo izy fa nikorapaka hanamboatra ilay « village de la francophonie » ny fanjakana, tetikasa goavana izay tsy nisy famoahana tolo-bidy na dia iray aza hatramin’izao. Na ahoana na ahoana fanazavana sy fiarovan-tena atao dia lainga sy fampiesonana ny filazana fa efa lasan’ny Seimad hatry ny ela ny tanin’ny labatoara, ary mbola fandikan-dalàna ny tsy nampilazana ny Tiko, tompon’ny tany fa misy tetikasa ilan’ny fanjakana io tany io ka noho izany dia tsy maintsy alainy ny tany. Raha olon-kafa ankoatra an’i Marc Ravalomanana, ndeha atao hoe Sinoa na Karana ve no nikasa hanorina orinasa teo amin’ny tanin’ny labatoara Andohatapenaka dia nisy fanakantsakanana sy fihetsiketsehana be tahaka izao ?

 


 

RTT sy Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT