Raharaha nitana ny sain’ny maro ny resaka kolikoly momba ny fampandaniana ny lalàm-pifidianana teny amin’ny amin’ny antenimieram-pirenena, saingy nangingina tato ho ato. Nalaza ny fisian’ny kolikoly ary nanitrikitrika izany ireo depiote miisa 73 ahitana ny TIM, MAPAR,
MMM, ary ny tsy miankina, sokajiana ho mpanohitra. Nisy ny fametrahana antontan-taratasy teny amin’ny Bianco, ary nanitrikitrika mihitsy izy ireo fa manana porofo. Niparitaka rahateo avy eo ny horonantsary miendrika fizaram-bola. Ny depiote hita tao anatin’io dia toa nifanipaka sy nofatoran’ny teny nambarany. Ny iray, ohatra, nilaza fa efa tamin’ny taona 2016 iny horonantsary iny. Maro anefa ireo pitsopitsony toa namatotra ny lainga, toy ny hoe ny saron’ny tavohangina Eau vive tamin’izany 2016 izany, dia manga, saingy ilay mena efa taty aoriana no hita tao anatin’ny horonantsary. Ny depiote iray indray, dia nilaza fa nandritra ny fizaram-bola hatao solika ilay horonantsary. Angaha moa ny depiote tsy efa manana ny karatra manokana fakana izany, sa efa lasa any anaty “chambre” no fizarana ny solika? Tsy dia hivalamparana ny amin’iny, fa mandeha ny fakana am-bavany amin’izao fotoana izao, ka miantomboka any amin’ny mpitory izy io, mba hahafahana manangona ny porofo na ny fanamarinana rehetra angamba no antony. Raha ny vaovao azo amin’izao fotoana izao dia depiote miisa 3 no efa nohenoina, ka isan’ireo ny depiote avy amin’ny TIM Hanitra Razamfimanantsoa sy ny depiote MAPAR Tody Arnaud. Mazava ho azy fa handeha manaraka eo ny an’ny toriana. Isan’ny efa nanangam-bovona ny hamoaka dosie ihany koa moa ny Depioten’Atsimondramo Jaona Elite, raha mitohy ity resaka Bianco ity. Samy niandry izany ny rehetra, saingy tsy nisy aloha. Raha ny loharanom-baovao hafa iray, dia re ny fisian’ny depiote miisa 3 nampiahiahy ny fandrotsaham-bola 40 tapitrisa avy tamina banky teto Antananarivo andro vitsy taorian’iny resaka kolikoly avo lenta iny. Fifandrifian-javatra ihany sa dia vola azo tamin’ny kolikoly tokoa?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.