Tsy te hahalala izay fanambaran’ny masoivoho Frantsay eto amintsika i Hery Rajaonarimampianina izay nanitrikitrika omaly fa ny filoha Frantsay François Hollande no miresaka aminy mivantana ny momba ny « iles éparses ».
Tsy maintsy irosoana ny fifampidinihana, hoy ny filoha ka tsy tokony hatao resabe intsony ny momba ireo nosy ireo satria efa ny fanapahan-kevitry ny firenena mikambana tamin’ny 1979 no nandidy fa mila mifampiraharaha amin’i Madagasikara i Frantsa ny amin’ny famerenana ireo nosy ireo aminy. Ny resaka fiaraha-mitantana dia anisan’ny vahaolana iray fotsiny tahaka ny ataon’i Frantsa sy i Maorisy amin’ny nosy Tromelin, saingy tsy mbola misy mihitsy hatreto ny zavatra raikitra, hoy izy. Tsy nilaza fe-potoana mazava hanombohan’ny fifampidinihana eo aminy sy ny filoha Frantsay na eo amin’ny fitondrana Malagasy sy ny fitondrana Frantsay kosa anefa i Hery Rajaonarimampianina omaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.