Politique

Raharaha « Iles Eparses » Mangina tanteraka ilay Vaomiera Malagasy-Frantsay


  • Alakamisy 19 Aprily 2018

Tsy heno intsony ny tohin’ny asan’ilay voamiera iombonan’ny Malagasy sy ny Frantsay momba ny « Iles Eparses » na ireo nosikely Malagasy mbola hifandroritana amin’i Lafrantsa.

Nangina tanteraka ary tsy misy intsony ny tatitra sy fampitam-baovao mahakasika ny raharaha. Raha tsiahivina dia efa tamin’ny andron’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Attalah Béatrice, izany resaka fananganana vaomiera iombonana izany eo amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny roa tonta mba handinihina ireo nosy miisa efatra manodidina an’ I Madagasikara. Nandeha mihitsy ny dokadoka tamin’izany fa noho ny fahaizan’ny Filoha ankehitriny dia tafapetraka tamin’ny fotoana fohy ireo voamiera handinika izany. Tahaka ny fampantenana poakaty rehetra fanaon’ny fitondrana anefa dia tsy re tsaika intsony ny asa ataon’ireo vaomiera ireo momban’ny fitakiana ireo nosy ireo. Nambara anefa fa mila averina amin’ny vahoaka Malagasy ary tokony afaka manjono malalaka any ny sambontsika. Tsy mahagaga fa efa fomba fanaon’ity fanjakana ity hatramin`izay ny fampiesonana ny Malagasy tahaky ny hoe hanafoana ny delestazy sy ny tsy fandriampahalemana anatin’ny telovolana, ny fitsaram-bahoaka, ny fampidinana ny vidim-bary…

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT