Raharaha Iles Eparses

Mandeha ny sinema, hanaiky fiaraha-mitantana ny Fitondrana?


  • Alakamisy 24 Aprily 2025

Nezahana nasongadina tamin’ny fihaonan’ny Filoha frantsay Emmanuel Macron sy ny Filoham-pirenena

Malagasy Andry Rajoelina ny lanjan’ireo fiaraha-miasa sy faiaraha-miombon’antoka ara-toekerana sy ara-diplaomasia. Toa ezahana atodika any amin’ireny, ary mijanona ho ambanin-javatra ny famerenana ireo Nosy Malagasy na « Iles Eparses » izay efa nanaovan’i Emmanuel Macron an’ilay hoe: « Ici c’est la France ». Na mety nisy aza ny karazana kabary na mety ho sinema politika mba hanomezana aina ny fitsidihana ka nilazan’i Andry Rajoelina ny fitakiana na fangatahana ny famerenana an’ireo, dia mbola lavitry ny kitay ny afo. Nambara ny hanokafana indray ny Vaomiera Iraisan’ny roa tonta mikasika ny hoavin’ireo andiana nosy, dia nambara fa hitohy any Frantsay ny 30 jona 2025 izao ny dinika mikasika an’io, izay efa tany amin’ny 2019 no nisy vaomiera, saingy nanjavona teo. Havoitra ny resaka marimaritra iraisana sy fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana toa misintona ny saina ho any amin’ny hoe : hifanaraka amin’ny Frantsay amin’ny hirosoana amin’ny fiaraha-mitantana na « co-gestion » ve ny Fitondrana Rajoelina ? Efa nisy ny Fanapahan-kevitra noraisin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny taona 1979, izay nandidy an’i Lafrantsa mba hamerina amin’i Madagasikara ireo Nosy ireo, saingy mijanona ho fanambarana sy tsy nisy fampiharana. Ny an’i Maurice nahomby ny fifandresen-dahatra ara-diplaomatika tamin’ny Anglisy ka niverina ny ampahany betsaka amin’ny Vondron’ny Nosy Chagos raha toa ka mbola lavitr’ezaka ny an’i Madagasikara. Ry zareo Kaomorianina ihany koa anisan’ny manenjana mitaky ny famerenana ny Nosy Mayottes aminy, saingy nangotraka ny resak’i Macron tany Mayottes tamin’ny filazana fa hanangana « rideau de fer » na rindrim-by ! Anisan’ny Firenena manana ny teny Farany ao amin’ny Filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana moa i Lafrantsa raha mbola mipetraka ho Firenena mahantra fadiranovana vokatry ny tsy fahaiza-mitantana sy fanjanahantany amin’ny endriny vaovao i Madagasikara. Asa rahoviana vao mba hiova ny tantara ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT