Ny fivoriamben’ny firenena mikambana taorian’ny adihevitra mafana no namoaka didy tamin’ny 1979 fa mila miresaka sy mifampiraharaha amin’i Madagasikara momba ny famerenana aminy ny fitantanana ny « iles éparses » i Frantsa, hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny Atallah Béatrice
omaly raha nanontanian’ny mpanao gazety momba ity raharaha mafampana ity. Faritanin’i Madagasikara niaraka nozanahan’i Frantsa taminy nanomboka ny taona 1895 ireo nosy kely manodidina feno harem-be ireo, ka tokony ho nomena fahaleovantena sy niverina ho an’i Madagasikara ihany koa nanomboka tamin’ny 1960. Efa nanaiky ny hirosoana amin’ny fifampidinihana sy ny hananganana ilay vaomiera manokana ny masoivoho Frantsay eto amintsika, hoy Rtoa Atallah Béatrice. Raha toa anefa ka mikatso na tsy misy vokany io fifampidinihana io dia afaka mitondra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana iraisam-pirenena i Madagasikara. Tsy mora ny raharaha tahaka itony ary tena mila fahamailoana sy faharetana, hoy hatrany ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy. An-kilan’izay, ny Frantsay efa nanome alalana kaompania vahiny hitrandraka solika sy gaz natoraly any amin’ireo nosy ireo ary vao tsy ela akory izay no nanizingizina ny masoivohon’i Frantsa vaovao eto amintsika fa an’i Frantsa ny « iles éparses ». Ka tsy efa fantatra ihany ve no ho vokatry ny fifampiraharahana ? Raha midrikina ny Frantsay, tena ho sahy hitory azy ireo any amin’ny fitsarana iraisam-pirenena tokoa ve ny fanjakana Malagasy ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.