Politique

Raharaha Ikongo Nokianin’ny Jeneraly Ravalomanana ny Depiote Brunelle


  • Alatsinainy 05 Septambra 2022

Mbola adihevitra mitana ny sain’ny maro ilay toe-draharaha tany Ikongo nisiana fahafatesana olona maherin’ny roapolo. Nampiaka-peo manoloana an’io ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, ary filoha lefitry ny antenimieram-pirenena.

Naneho fa tsy avela fotsiny amin’izao, ka nandefasany taratasy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ary mbola nohamafisiny izany nandritra ny fahatongavany tany Ikongo ny faran’ny herinandro teo, rehefa avy nikarakara ireo pitsopitsony maro mikasika ity raharaha ity. Efa nanipika io depiote io, fa tsy misy basy ny vahoaka, ny fitondrana tehana any dia fomba fanao, merika lava ny any ary manampy amin’ny fandehanana. Misy ihany koa ny mitondra “goro” na antsy be izay fitondra any an-tsaha. Ny sasany olona te hahita raha, hijery raha, ny sasany hiantsena,… kanefa maty. Ny mpitandro filaminana no nanatona vahoaka, tsy tonga tamin’ny faritra mena… Amiko “tsy fiarovan-tena fa fandripahana vahoaka ny “rafale” tao anaty minitra lava kanefa tsy dahalo ny manoloana anao fa vahoaka”, hoy izy. “Niresaka tamin’ny vavolombelona maro aho, manana sary, manana video aho. Efa noresahany moa ny fisiana resaka an-tariby nisiana baiko avy any ambony hoe: “tonga dia rafaleo”. Nomena ahy ny anaran’io olona io, ny anaran’ilay tompon’andraikitra, fa misafidy ny tsy hamoaka aho, mba tsy tonga dia ho “cible” io”, hoy ny depiote Brunelle, izay marihina fa manamboninahitra ambony Contrôleur général de police. Ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena nilaza fa efa narahina ny an-tanan-tohatra sy ny fampitandremana rehetra. Manomboka henjehin’ny mpitondra ambony sasany ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa, tahaka ny efa natao azy tamin’ny raharaha fizarana ny faritra Vatovavy Fitovinany, tamin’ny fanakianany mivantana ny Praiminisitra noho ny tsy fahombiazan’ny fitantanan-draharaham-panjakana, tamin’ny filazany fa tsy maika ny teleferika raha ampilaharina amin’ny tokony ho laharampahamehana maika,… “Izy ary tsy any Ikongo akory fa eto Antananarivo foana. Ity efa misy maty any, bevava, kanefa mbola milanonana mamonjy Fetim-pirenena Indonezianina sy mitabataba amin’ny tele toy ilay tratran’ny rivodoza tany Ikongo”, io no fanehoan-kevitry ny Jeneraly Ravalomanana Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena teo aloha tany anaty adihevitra amin’ny tambazotran-tserasera, ary nisy nanao ilay antsoina hoe: “capture” moa io. Efa im-betsaka ny Depiote Brunelle no niantso ny mpitondra hoe: jereo Ikongo, vonjeo, làlana potika, mitoka-monina,… saingy toa tsy nisy niraharaha, fa rehefa misy loza vao taitra ny Mpitondra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT