Raharaha fisamborana depiote

“Andrasana ireo dingana hafa heverina ho mbola banga!”Raharaha


  • Alarobia 13 Desambra 2023

Ny 9 novambra 2023, raha tsiahivina, no nosamborin’ny zandary tetsy Mahamasina

nandritry ny hetsik’ireo kandida ny depioten’ny boriboritany faha 5 eto Antananarivo, Fetra Ralambozafimbololona Razafitsimialona. Tanaty fotoam-pivorian’ny antenimieram-pirenena eo fotoana io raha tsiahivina kanefa sanatrian’izany toy ireny fisamborana kisoa ireny ny fomba nisamborana ity depiote ity, hoy ireo solombavambahoaka namany. Ny 18 novambra moa izy avy eo no navotsotra rehefa notazomina teny Fiadanana nandritry ny herinandro mahery. Omaly 12 desambra kosa no nandeha ny fitsarana ary hivoaka ny 19 desambra izao ny didy mikasika izany, raha ny fampitam-baovao voaray. Raha iverenana ny voarakitra ao amin’ny lalàna ao amin’ny andininy faha 73 mikasika ny antsoina hoe “immunité parlementaire” na zo fiarovana ireo parlemantera dia “Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina, karohina, samborina, tanana am-ponja, na tsaraina noho ny hevitra naposany na latsa-bato nataony teo am-panaovana ny asany. Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina sy samborina noho ny heloka bevava na heloka tsotra mandritra na fotoam-pivoriana raha tsy nahazoan-dalana tamin’ny antenimiera raha tsy hoe tratra ambodiomby. Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo samborina ivelan’ny fotoam-pivoriana, raha tsy nahazoan-dalana tamin’ny biraon’ny antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby, noho ny fanenjehana nomena alalana na ny fanamelohana tanteraka. Afaka manao fitarainana an-tsoratra any amin’ny birao maharitra ny antenimierampirenena izay rehetra olona manana fanamarihana momba ny tsy fahavitan’ny solombavambahoaka izay rehetra olona manana fanamarihana momba ny tsy fahavitan’ny solombavambahoaka iray ny asa nankinina taminy. Tsy maintsy manome valiny amin’ny antsipiriany mikasika ilay raharaha ny birao ao anaty 3 volana.” Oviana moa izany no efa nisy depiote voasambotra toy ireny tokoa teto amin’ity firenena ity? Efa nohadihadiana koa ve ny nisambotra sy ny nanome baiko ny fisamborana? Andrasana ireo dingana hafa heverina ho mbola banga!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT