Raharaha depiote Fetra

Nororitin’ny Minisitry ny Fitsarana amin’ny « tratra ambodiomby »


  • Alakamisy 14 Desambra 2023

Tsy nisy ny fifanatrehana teo amin’ny governemanta sy ny antenimierampirenena,

ka nohararaotin’ny depiote nametraham-panontaniana momba ny raharaha mafana toy ny fisamborana ny depiote Fetra Ralambozafimbololona ny Minisitry ny Fitsarana omaly, nandritra ny fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny famotsiam-bola sy famatsiana ny fampihorohoroana. Nitaky valiny mahitsy teo anatrehan’ny resaka zo tsy azo henjehina na « immunité parlementaire » an’io filohana vondrona parlmantera io ny depiote TIM Ramboasalama Emilien. Nilaza kosa ny Minisitry ny fitsarana Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa, fa misy tokoa ny « immunité » fa misy ihany koa ny lalàna velona, ka miaraka jerena ireny. Ny lalàmpanorenana, hoy izy, no ambony indrindra, ka nilazany fa tsara jerena ihany ny andininy faha-73 amin’ny lalàmpanorenana mikasika ny « flagrant délit » na tratra ambodiomby. « Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina, karohina, samborina, tànana am-ponja, na tsaraina noho ny hevitra naposany na latsabato nataony teo am-panaovana ny asany. Tsy misy Solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina sy samborina noho ny heloka bevava na heloka tsotra mandritra ny fotoam-pivoriana raha tsy nahazoan-dàlana tamin'ny Antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby. Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo samborina ivelan'ny fotoam- pivoriana, raha tsy nahazoan-dàlana tamin'ny Biraon'ny Antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby, noho ny fanenjehana nomena alàlana na ny fanamelohana tanteraka. Afaka manao fitarainana an-tsoratra any amin'ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena izay rehetra olona manana fanamarihana momba ny tsy fahavitan'ny solombavambahoakairay ny asa nankinina taminy. Tsy maintsy manome valiny amin'ny antsipiriany mikasika ilay raharaha ny Birao ao anatin'ny telo volana», hoy moa ny voalazan’io andininy io. Nilaza ity Minisitra ity, fa ny lalàmpanorenana no ambony, ary tsy voaaron’ny zo tsy azo henjehina rehefa tratra ambodiomby, izany hoe : ity resaka tratra ambodiomby ity no roritin’ny Fanjakana. Somary nahasorena ny depiote sy niteraka adihevitra tao Tsimbazaza ny mbola nilazan’ny minisitra fa afaka makany amin’ny toeram-piasany eny Faravohitra raha tsy afa-po tamin’ny valin-teny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT