Politique

Raharaha BANI Vaky loha ny FAT !


  • Talata 11 Oktobra 2011

Tsy hita intsony izay hanaovana ireo miaramila manamboninahitra tazomina ao Tsiafahy.

 Nandrasana omaly ny fitsarana azy ireo, na tany Arivonimamo izany na tany Fianarantsoa. Raha ny fantatra anefa dia tsy nisy na tany amin’ilay toerana voalohany na tany amin’ny faharoa. “Tsy nahare na inona na inona mihitsy izahay, tsy nisy fampandrenesana rahateo ny momba ny hoe hitsarana ny vadinay” raha araka ny fanazavan’ireo vadina miaramila voatazona amin’ity raharaha BANI ity.

Efa tapitra ny fe-potoana tokony hitazomana am-ponja vonjimaika ireo olona ka izay no mahatonga ireo vadina manamboninahitra miandrandra ny fitsarana amin’izay. Amin’ireo anefa dia lavin’ny fitsarana ny raharaha any amin’ny toerana ivelan’Antananarivo. Manaraka izany ihany koa dia hita fa mampitarazoka ny fitsararana ny fiovan-javatra noho izay voatondro anaty tondrozotra. Voatsipika mazava ao mantsy ny tokony hamoahana ireo gadra politika, na sivily na koa miaramila.

Efa hita soritra ny fanarahana tsikelikely an’izany rehefa nomena fahafahana vonjimaika ireo voatazona tamin’ny raharaha Radion’ny Gasy, na koa ireo izay voarohirohy tamin’ny raharaha Ambohijanaka. Ireto miaramila voatazona noho ny raharaha BANI izany sisa no tsy hitan’ny FAT izay hanaovana azy. Vaky loha tanteraka izy ireo. Efa nalefa avokoa ny soso-kevitra toy ny hamoahana azy ireo ao Tsiafahy ka hametrahana any an-toeran-kafa. Nolavin’ireo miaramila hatrany izany. Mampatahotra ny mpitondra izany…
Gaby

Sary : Ireo manamboninahitra nivory teny amin’ny BANI ny 17 novambra 2010

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT