Politique

Raharaha BANI Havoaka amin’ny andro alina ireo manamboninahitra ?


  • Alarobia 28 Septambra 2011

Mandeha be ny feo fa dia mety havoaka amin’ny alin’ny 3 oktobra izao ireo manamboninahitra rehetra voakasiky ny raharaha BANI ary hoentina any Fianarantsoa.

 Mahavariana mihitsy ity paikady ity. Fa inona loatra no tena antony tsy hanaovana ny Fitsarana eto an-drenivohitra ? Ny fianakavian’ireto manamboninahitra ireto dia efa milaza avy hatrany fa heverin’izy ireo ho famonoana ny havan’izy ireo ny fihetsika atao amin’ireo manamboninahitra ireo. Tsy hanaiky izany na oviana na oviana izahay, hoy izy ireo ary hilaza amin’ny havanay mba tsy hivoaka mihitsy raha misy tokoa io famoahana amin’ny alina io. Milaza ihany koa ny fianakavian’ireo manamboninahitra ireo fa tompon’andraikitra ary tsy hiala amin’izay olona manome baiko amin’ny fitondrana amin’ny andro alina ny havan’izy ireo any Fianarantsoa izy ireo. Araka ny hita tamin’ny gazety an-tsoratra sasany teto an-drenivohitra dia nilaza ny minisitry ny Fitsarana fa hohafainganina ny fitsarana ity raharaha BANI ity. Misy ifandraisany amin’izany fanambarana izany ity voalaza fa hatao amin’ny alin’ny 3 oktobra ity ?

 

Mohamed

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT