Raharaha Apollo 21

Mampametra-panontaniana ny fepetran’ny iraisampirenena


  • Talata 07 Janoary 2025

3 taona mahery izay no nitrangan’ilay raharaha Apollo 21 na fikasana hifofo ny ain’ny filoham-pirenena,

Andry Rajoelina, izay naha voarohirohy olona miisa 8 heverina ho manana ny maha izy azy teo amin’ny fiainam-pirenena teto Madagasikara, raha tsiahivina. Voaheloka hiasa an-terovozona 20 taona taorian’ny fivoahan’ny didim-pitsaràna tamin’izay fotoana izay, ny ofisien’ny zandarimaria frantsay teo aloha, Paul Maillot Rafanoharana, izay manana ny zom-pirenena malagasy sy frantsay. 10 taona hiasa an-terovozona ny an’ilay frantsay, Marc-Phillipe François. 10 taona toy izany koa ny an’ilay malagasy, Aina Razafindrakoto ary 5 taona toy izany ny an’ilay malagasy, Voahangy Andrianandrianina. Sazy miantona 5 taona no azon’ilay malagasy, Victor Ramahatra, sy ny mpanakanto sady mpanao politika tsy zoviana amin’ny mpanara-baovao, Yvon Randriazanakolona na Sareraka. Afaka noho ny fisalasalana ny teratany vahiny hafa, Brigitte Mroczek, sy ny Jeneraly Ferdinand Razakarimanana. Ny faraparan’ny volana desambra moa dia nitaky ny famoahana an’i Paul Rafanoharana ny filankevitra misahana ny zon’olombelona eo anivon’ny firenena mikambana na ONU. Fepetra izay mampametra-panontaniana hoe hatraiza izany no hahafahan’ny sehatra iraisampirenena miditra amina raharaha toy itony? Fa maninona no mikasika ity zandary frantsay teo aloha ity ihany no nidiran’izy ireo an-tsehatra? Saika samy nilaza avokoa ireo mpisolovavan’ny voarohirohy tamin’ity raharaha ity fa tsy ampy ny porofo nahafahana niampanga ny olona narovan’izy ireo ary nivoy tamin’ireo haino aman-jery iraisampirenena samihafa nefa izany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT