Raharaha Andry Andriatongarivo

Nandefa taratasy any amin’ny Filoha ireo akaiky azy


  • Talata 26 Martsa 2024

Nandefa taratasy misokatra miantefa amin’ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara

sady Filohan’ny Filankevitra ambonin’ny Fitsarana ny fianankaviana, namana, ary mpiaro an’i Andry Andriatongarivo. « Andriamatoa Filoha, volana maro no voatana any am-ponja tsy ara-drariny ny zanakay, ny zafikelinay, ny anadahinay, ny rahalahinay, ny namanay Andry Andriatongarivo. Tsy hitsahatra izahay ny hitaraina sy hampatsiahy aminao ny zavatra niainany nandritry ny volana maro ary mitohy hatramin'izao: Fiketrehana sy fikasana hamono hahafaty tamin'ny alalan'ny entona fandrehitra, poizim-boalavo,asidra, tangena... ; Herisetra ara-tsaina sy ara-batana isankarazany ; Fanelezana lainga sy fanaratsiana ;Fisamborana niaro herisetra sy tifitra teo imasona zaza 5 taona monja ; Fanagadrana vokatry ny fanovana ny zava-nisy marina sy fivadihana tamin'ny fanambarana natao teo imasom-bahoaka ; Tsindry sy fampiasana ny maha mpitondra ambony mba hahasoratra ny fiainany any amponja ; Tsindry sy fampiasana mpitandro filaminana manamboninahitra iray na roa mba hampihorohoro ny fianakaviana akaiky sy ny namana », hoy izy ireo. Noho izany, niangavy ny Filoham-pirenena izy ireo mba hiaino izao antsony izao ka tsy hitazana fotsiny ny ambaran’izy ireo fa tsy rariny mihatra amin'i Andry Andriatongarivo sy amin'ny manodidina azy izao, ka mba omena fahafahana izy ireo hitondra eo anoloan’ny filoham-pirenena ny porofon'ireo zavatra voalaza rehetra ireo. « Miangavy an-tanan-droa izahay mba hisy fepetra raisina manoloana izao tsy fanajana ny lalàna , ny maha olona , fanitsakitsahana ny soatoavina malagasy sy ny fianianana natao teo anoloan'Andriamanitra sy ny vahoaka malagasy izao. Manamafy izahay fa tsy manana fahavalo na andrim-panjakana io na ny mpitandro filaminana na iza na iza, fa kosa manameloka ny tsy fihetsika tsy mendrika ataon'olombitsy, ary tsy misy kajy politika na kely aza avy aminay fa fikatsahana ny rariny ihany sy ny fitovian'ny rehetra manoloana ny lalàna sy ny fitsarana », hoy hatrany ireo fianankaviana, namana, ary mpiaro an’i Andry Andriatongarivo, nanao antso avo amin’ny Filoham-pirenena mba hijery ny rariny sy hintsiny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

Hijery ny tohiny
FTT