Mahavelom-bolo ny mpiaro ny zon’olombelona ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana teo anatrehan'ny fanambarana nataon'ny minisitra miandraikitra ny filaminam-bahoaka ny 27 aogositra lasa teo,
izay naneho fialan-tsiny sy fiaraha-miory tamin'ny fianakavian'ny maty tetsy Ampefiloha, Antananarivo, ny zoma 23 aogositra, hoy ny Vaomieram-Pirenena Mahaleotena momba ny Zon'Olombelona (CNIDH). Rariny loatra raha noraisina izany fepetra nanolorana ny fitsarana ilay polisy nitifitra nahafaty ilay heverina ho jiolahy, ary efa any am-ponja ankehitriny, satria tokana ny lalàna mifehy ny rehetra araka ny voalazan’nyu lalàmpanorenana (and. faha-6). Ny Lalàmpanorenana dia miaro ihany koa ny ain'ny olombelona rehetra tsy ankanavaka (and. faha-8), eny fa na dia ny ain'ny jiolahy mpamono olona aza. Marihin'io andalan'ny Lalàmpanorenana io koa anefa fa tsy heverina ho fandikan-dalàna ny famonoana olona raha toa ka tsy maintsy atao izany ho fiarovan-tena na fiarovana olon-kafa amin'ny herisetra tsy ara-dalàna, hoy ny CNIDH. Deraina ny polisy izay nampiasa ny fahaizany sy ny herimpony handravana ny tambajotran-jiolahy. Izany dia ho fiarovana ny zon'ny olom-pirenena tsotra, izay tsy manana basy iarovany ny ainy sy ny fananany. Fandikan-dalāna kosa anefa, sady fanitsakitsahana zon’olombelona, ny fitifirana ho faty olona efa voatifitra rahateo ka tsy afa-mihetsika, tsy afa-mandositra, tsy afa-manohitra intsony, hoy izy ireo. Noho izany, dia mangataka ny minisitry ny fitsarana ny CNIDH hanao laharam-pahamehana ny fitsarana iny polisy sokajian’izy ireo ho nahavanon-doza iny, ka hampahafantatra izay didim-pitsarana hivoaka, ho ren-tany, ho ren-danitra. Izany dia fomba iray hialana miandalana amin'ny « fitsaram-bahoaka », izay tsy ara-drariny, sy hitaizana ny tanora sy ny ankizy hahay hanavaka ny mety sy ny tsy mety, ny ara-dalàna sy ny tsy ara- dalana. Midera ihany koa ny ezaka ataon'ny miaramila sy ny zandary. Tsy hahitam-bokatra maharitra anefa ireny ezaka ireny, raha mbola misy ny fomba mamoafady toy ny fampanofana basy amin'ny jiolahy, ny fanakonan-keloka noho ny firaisankina diso toerana (corporatisme),…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.