Politique

Raharaha “26 janoary”, “07 febroary”, “17 martsa” Nanaovan’ny Senatera Rakotoamboa vaky bantsilana


  • Alakamisy 13 Oktobra 2011

Taorian’ny ampamoaka nataon’ny Profesora Zafy Albert andro vitsy lasa izay dia niroso tamin’izany koa ny filohan’ny antoko Teza omaly.

 Taratasy takila am-polony, nosoniavin’ny lietna kolonely Charles Andrianasoavina no novakian’ny senatera Rakotoamboa Jean Louis tao amin’ny Kianjan’ny Finoana Behoririka omaly. Ampamoaka momba ny raharaha “26 janoary 2009”, “07 febroary 2009”, ny “8 martsa 2009” ary ny “17 martsa 2009”. Notanisainy tao avokoa ireo datim-pivoriana rehetra nanomanana ny “Alatsinainy Mainty”, ny “Sabotsy Mena”, ny fiokoana teny amin’ny Capsat, ny fanomanana ny teny amin’ny Episcopat sy ny teti-panorina rehetra tao ambadik’izany ary ny “famindram-pahefana sandoka” natao niaraka tamin’ny “taratasy sandoka” ihany koa, araka ny fanazavany hatrany. Voateny tao koa ireo rehetra namatsy vola sy fitaovana nanatanterahana ireo heloka bevava ireo.

Anarana maromaro, Malagasy sy vahiny no indray voatonona izay maro amin’izy ireo no mitana andraikitra ambony amin’izao fitondrana izao. Nisy koa anarana mpanao gazety notononin’ny kolonely Charles Andrianasoavina tao anatin’ilay fiekena ny zava-nataony, hoy ny senatera Rakotoamboa. Nanambara moa ny filoha nasionalin’ny Teza fa “voaporofo avokoa ireo asa ratsy rehetra ireo”. Nambarany fa “tompon’andraikitra voalohany amin’izao heloka bevava izao i Andry Rajoelina”. Tsy maintsy hotsaraina ianao, hoy izy.

Anisan’ny voatanisa tao, ohatra, ny tetika tsy maintsy nandatsaha-dra, ny fandoroana sy fandrobana ireo fananan’ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo rehetra akaiky azy, ny nanakaramana ireo “gros bras”, sy ny hetsika rehetra nitranga teto. Fantatra fa nanodidina ny 20 tapitrisa ariary ny vola nomena ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina nanatanterahana ny asa rehetra. Tsy latsaky ny 15 miliara ariary kosa ny famatsiam-bola azo tao anatin’izany. Manoloana ireo rehetra ireo dia nanambara ingahy Rakotoamboa Jean Louis fa “tsy hanaiky olona mpanao heloka bevava hitondra ny fanjakana”. Hafa ny adihevitra politika, hoy izy, fa hafa ihany koa ny heloka bevava famonoan’olona natao. Nanao antso avo tamin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana handray fepetra sy andraikitra moa ny tenany manoloana ireo rehetra ireo. Tsy hijanona eo ny ampamoaka. Ny sabotsy ho avy izao, raha ny fantatra dia mbola hisy hamoaka koa ny tsiambaratelon’ny “7 febroary 2009”, andro nanafihana ny Lapan’Ambohitsorohitra.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT