Raharaha 10 aogositra 1991

Miha mangatsiaka hatrany ny fahatsiarovana


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2024

Daty isan’ny nanamarika ny tantaram-pirenana malagasy ny raharaha 10 Aogositra 1991,

33 taona ny sabotsy teo. Diabe nankeny Iavoloha, izay notarihin'ny Herivelona Rasalama, izay nisy ny Profesora Zafy Albert, Pasitera Andriamanjato Richard, Manandafy Rakotonirina ary anisany tao ihany koa ny Jeneraly Jean Rakotoarison na «Voay be» sy ireo mpitarika antoko politika maro teto amin'ny firenena tamin'izany fotoana izany, raha tsiahivina ny tantara. Vahoaka maro no tonga nanohana ny hetsika niainga teny amin'ny kianjan'ny 13 may nizotra ho eny Iavoloha. Hita fa tena nafana fo tokoa tamin'ny fotoan'androny izy ireo, hoy ny vavolombelon’ny tantara iray. Raha ny filazana izay nataon'i filoham-pirenena efa nodimandry sy nahongana tamin’izany fotoana izany, ny Amiraly Didier Ratsiraka, tamin'ny fandaharana manokana taona vitsivitsy lasa izay dia efa nisy ny fifanarahana teo aminy sy ireo mpitarika ny Herivelona teo alohan'io 10 aogositra 1991 io. Namafisiny hatrany moa fa nekeny avokoa ireo fangatahan'ny Herivelona na «Force vive». Tao anatin'izany ny fandravana ny anterimieram-pirenena, ny fandravana ny governemanta sy ny praiminisitra ka iarahan'izy ireo manendry izay ho praiminisitra vaovao. Ny praiminisitra Guy Willy Razanamasy no napetraka teo vokatr’izany. Nigadona ny datin'ny 10 aogositra, vahoaka hatrany amin'ny 2 hetsy no nizotra teny Iavoloha, hoy ny fampahatsiahivana. Nisy ny fifandonana teo amin'ireo mpitolona sy teo amin'ireo mpitandro filaminana. Maro ny maty ary tsy vitsy ihany koa ireo naratra. Anisan'izany ny Pr Zafy Albert, izay naratra teo amin'ny tongony. Nandriaka ny rà teny amin'ny araben'Iavoloha tamin'io fotoana io. Nisy ihany koa ny filazana izay niteraka resabe fa nisy ny «mine» na vanja milevina, izay napetraka tamin'ireo tanimbary manodidina an'Iavoloha. Nandiso izany filazana izany tanteraka kosa anefa ny Amiraly Didier Ratsiraka ary nanamafy hatrany izy tamin'ny fandaharana izay nataony tamin'ny haino vaky jery teto an-drenivohitra fa tsy nitifitra na nampitifitra izy na bala iray aza raha ny raharaha 10 Aogositra no asiana resaka. Ity raharaha 10 aogositra 1991 ity moa no voalaza fa nahafatesana olona be indrindra teo amin'ny hetsi-bahoaka nisy teto Madagasikara. Nitondra inona teto amin’ny firenena nefa, hoy ny fanontaniana mipetraka? Ny tsikaritra aloha dia miha mangatsiaka hatrany ny fahatsiarovana.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT