Tsy afa-misaraka i Dada, Neny, Dr Robinson ary Rahantasoa Lydia izay kandidà depiiote ofisialy natolotry ny movansy Ravalomanana sy Ny Avana.
Koa aza misalasala isika aty Manjakandriana, hoy izy, mifidy ny laharana 1 izay efa ela nanaovana asa soa sy nijery manokana an'i Manjakandriana amin’ny naha efa depiote voafidim-bahoaka azy tany aloha tany. Ny laharam-pahamehana ho azy dia ny fiverenan'i Madagasikara amin’ny tany tan-dalàna, hanara-maso ny asan'ny governemanta ary koa hijery sy hanasoa ny faritra misy ny tena. Malahelo ny zanany i Manjakandriana koa aleo hody i Dada, hoy ity kandidà ity. Ny tanjonay dia ny hahalany an'ny kandida Dr Robinson ho filoha ka hampody an'i Dada, ary ny hahamaro an'isa ny depiote manohana azy ka afaka hanendry an'i Neny ho praiminisitra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.