Raha natao ny fitsinjaràm-pahefàna

«Tsy nisy nitaky federalisma izany androany»


  • Zoma 14 Aogositra 2026

Raha nipetraka tsara araka ny

tokony ho izy ny fitsinjaràm-pahefàna, hoy ny mpandinika fifandraisana iraisampirenena, Bien Aimé Randrianantenaina, dia ho hafa kokoa ny fandehan-javatra. Miresaka fitsinja-ràm-pahefàna na «décentralisation», izay mifantoka amin’ny vondrom-bahoaka toy ny kaominina sy faritra, be dia be mihitsy, hoy izy, ny lalàmpanorenantsika tamin’ny 2010. Tsy nampiharina io ka rehefa tsy nihatra dia tsy nipetraka tsara koa ny atao hoe «déconcentration» na ny fanapariahan’ny fitondràna foibe ny asa any amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaràm-pahefàna. Vokatr’izay dia mahatsiaro ho voafehy tanaty «centralisme» na fanapahan-kevitra tsy ifampiheràna be dia be ny olona. Tsy ny lalàmpanorenana 2010 ihany no nampisy an’io fa rehefa tena zohiana dia tany amin’ny repoblika faharoa tany no efa nisy izany hoe filankevim-paritra na «conseiller provinciale» nofidiana toy ireny solombavambahoaka ireny izany. Tsy vita in-dray mandeha ny fitsinjaràm-pahefàna fa tany Frantsa izao, ohatra, efa im-betsaka ny endrika fitsinjaràm-pahefàna nataon’ny frantsay vao tonga amin’io iainany amin’izao io. Nanao ny faritany mizaka tena na «province autonome» isika tamin’ny repoblika faharoa. Napetraka indray nanomboka ny 2002 ny faritra na «région». Ohatrany napetraka fotsiny nefa ireny fa tsy notanterahina. Ohatran’ny natao tamin’ny lalàmpanorenana 2010 ihany. Nofariparitana fotsiny fa tsy notanterahina. Mbola tsy nisy fifidianana ireo rantsa-mangaika mifandraika tamin’izany ny taona 2002. Mbola notendrena ihany, ohatra, ny lehiben’ny faritra. 24 izao no isan’ireo faritra fa hatramin’izao tsy manana fahefàna. Tsy nofidiana araka ny tokony hametrahana azy ny rantsa-mangaikan’ireo faritra ireo. Raha notanterahina na ny voalaza tamin’ny 2002 na ny tamin’ny 2010 dia tsy nisy nitaky federalisma izany androany. Ny olan’ny olona tsinona dia ny hoe afaka manao zavatra ao amin’ny faritra misy azy ve izy? Raha hanasonia resaka fananan-tany ve izy dia vita eo amin’ny faritra misy azy? Toy izany koa ny fangatahana alalana hitondra fiara, fangatahana fanaovana pasipaoro, fanaovana taratasy samihafa. Izany no mankarary ny olona. Hita ho samy misy «extrémiste» na bontolo daholo na ny miaro ny federalisma na ny miaro ny fanjakàna tokana na «état unitaire». Lasa mivaona amin’ny resaka foko daholo ny adihevitra ka tena tsy mety. Tokony ho ny manam-pahaizana no mandinika sy mijery hoe inona no ilaintsika malagasy? Na federalisma na fanjakàna tokana koa dia mbola samy misy karazany maro. Eo ny manam-pahaizana no mijery hoe manao ahoana ny fandehan’ny vola na tetibola, raha fanjakàna tokana na federalisma no atao? Mila mametraka sosonkevitra maromaro ny manam-pahaizana. Ao ny mpahay lalàna, mpahay tantara, mpahaiolona, mpahay toekarena sy ny maro hafa. Mametraka hevitra maromaro hanaovana adihevitra ireo. Hazavaina amin’ny vahoaka tsara mihitsy hoe ohatran’izao ity hevitra iray ity. Ity iray ity ohatran’izao. Misafidy eo amin’izay ny vahoaka hoe izao no tokony ho izy. Iray sy mifankatia ary mifanaja ny tena malagasy na dia zarazarain’ny mpanao politika aza, hoy hatrany ny tenany
J. Mirija


Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT