Rafi-pitantanana ny firenena

«Mbola tetezamita ho any amin’ny tena fahaleovantena isika izao»


  • Talata 28 Mey 2024

Tsy miteny aho eto hoe andao hiverina amin’ny fitondrana faha mpanjaka na «monarchie»,

hoy ny mpandalina fomban-drazana sy raiamandreny ara-drazana, Josephin Andriandrainarivo. Ny zava-misy rehetra eto amin’izao dia mbola tamin’ny fotoana nidiran’ny vahiny mivantana teto, hoy izy. Mbola tetezamita ho any amin’ny tena fahaleovantena isika izao. Hifidy isika. Isika aloha tsy maintsy hifidy araka ny feon’ny fiheritreretan’ny tsirairay avy. Hisy solombavambahoaka ho lany araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana tokoa eo. Iantefan’izao antso izao ireny rehetra ireny. Ho lany eo ianareo dia miantso anareo mba tsy ho fehezin’antoko ka antoko manana fifanarahana any ambadimbadika na firenena any ivelany any no resaka fa tena fahasoavana ho an’ny firenena, tena fahaleovan-tena, tena fiandrianam-pirenena. Ny fahafahantsika miverina an-kalalahana amin’ny fandriampahalemana, amin’ny filaminana, ny fihavanana maha malagasy ny malagasy no tokony hitadiavantsika rafitra mifanaraka aminy miaraka amin’izay mpitondra eo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT