Politique

Rafanomezantsoa Charles Claude Mpanolotsaina tsy TIM tonga teny Tanjombato


  • Alarobia 09 Desambra 2015

Amin’ny fomba fanajana noho ny fanasan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana no nahatongavako teto amin’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra fifidianana senatera nataon’ny antoko TIM tety Tanjombato, hoy Atoa Rafanomezantsoa Charles Claude izay mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo-Renivohitra ary lany tamin’ny anaran’ny Iarivo Mitambatra.

 

 Nasain’ny olona ny tena ka manome voninahitra ny fanasana noho  ny fahalalam-pomba fa tsy midika akory  hoe maka toerana. Ary ambarako fa  na iza na iza antoko manasa ny tena dia adidy no mamaly izany. Hatreto aloha dia tena vonona izahay mpifidy vaventy fa adidy amin’ny tanindrazana ny mifidy ka tsy maintsy tanterahina. Ny fijeriko ny amin’ny fomba fandatsaham-bato amin’ny vata mangarahara isam-pokontany hapetraka isaky ny distrika, hoy ity mpanolotsaina ity,  dia tokony hifandamina  ny rehetra fa samy Malagasy fa tsy zavatra toy izany no hifanimbana eto sanatria.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT