Rado Raparaoelina_Ady amin’ny fahantrana

« Avereno amin’ny kaominina ny fahefana »


  • Alarobia 24 Jolay 2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

80% ny salan’isan’ireo Malagasy mahantra amin’izao raha araka ny tatitra navoakan’ny banky iraisam-pirenena. Tena zava-doza izany amin’ny ankapobeny antony nanosika ny Ben’ny tananan’Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano hilaza fa ny famerenana ny fahefana amin’ny kaominina ihany no tena vahaolana. Ny kaominina mantsy hoy izy no tena mahita ny olana eny ifotony hiainan’ny vahoaka ary afaka mamorona asa ho azy ireny. Raha ozinina iray isaky ny distrika iray no vitan’ny sasany hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity dia mety hahavita hatsangana ozinina miisa 5 ny kaominina raha omena azy ny fahefana mba hanampiana ireo vahoaka tsy an’asa ao aminy. Notsiahiviny moa fa anisan’ny antony mampihanaka sy mampahazo vahana ny fahantrana eto amintsika ny hamaroan’ireo Malagasy tsy afaka mianatra loatra. Misy ihany ireo nahavita fianarana saingy manao asa tsy mifanaraka amin’ny fari-pahaizany. Ho an’ireo miasa indray dia notsindriany fa tsy mahovoka ny vidim-piainana ny vola raisiny. Ireo olona tsy an’asa hiantohan’ny fanjakana Frantsay ao Frantsa aza mantsy nambarany fa mbola mandray vola betsaka lavitra noho ireo mikarama isam-bolana eto amintsika. Mbola mandray 1300 Euros izy ireny izay mbola hiadiavany eo anatrehan’ny parlemantera hakarina hatrany amin’ny 1800 Euros. Eo an-danin’izay hoy hatrany izy dia tsy hita taratra loatra izay fandraisan’anjaran’ny fanjakana foibe amin’ny fanampiana ny vahoaka.
Pati
Legende : Izy no Rado Ramparaoelina, Ben’ny tananan’Ampitatafika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT