Politique

Rado Ramparaoelina « Tsy mbola mahaleo tena izany isika »


  • Alakamisy 29 Jona 2023

Vao nankalazaina tamin’ny fomba manetriketrika tamin’ny alatsinainy 26 jona teo ny tsingerin-taona faha-63 taona niverenan’ ny

fahaleovantena taorian’ny tolona nataon’ireo razambentsika fahiny ka namoizan’ny ankamaroan’izy ireo ny ainy. Samy nanana ny fomba fahitany izany ny rehetra tamin’ny ankapobeny. Ho an-dRado Ramparaoelina, Ben’ny tanànan’Ampitatafika manokana dia nambarana fa mbola tsy mahaleo tena izany i Madagasikara fa kisarisary fotsiny. Ny administration iray manontolo hoy izy dia mbola amin’ny fiteny vahiny avokoa, ny mpitondra faratampony tsy Malagasy fa vazaha noho izany tsy mbola tsy tapitra ny tolona. Vahaolana arosony hahatongavana any amin’ny tena fahaleovantenan’ny firenena araka izany ny tokony hahatany tan-dalana an’i Madagasikara izay tsy hatao resabe fotsiny ka hametrahana ny sasany ho ambony lalàna raha misy ambany ny sasany. Misy ihany koa hoy izy lainga azo leferina fa misy tena famitahana tsotra izao mihitsy izay tokony hahitsy. Raha tena tia an’i Madagasikara isika hoy izy dia tokony ho tonga saina avokoa manomboka aminay mpitantana ka ny fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka Malagasy no tena handaniana mondrokely fa tsy zavatra hafa.  
Pati
Legende : Ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika Rado Ramparaoelina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT