RADO RAMPARAOELINA

« Tena nohasarotina be ara-taratasy amin’ny fifidianana »


  • Alatsinainy 16 Septambra 2024

Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fifidianana

Ben’ny tanana hotanterahina eto amintsika ny 11 Desambra ho avy izao ireo kandida. Ho an-dRado Ramparaoelina manokana izay kandida mpifaninana ao amin’ny Kaominina Ampitatafika dia nambarany fa tena nasarotinabe ny fikarakarana ny taratasy. Raha hetra 1 taona ihany hoy izy no nalaina tamin’ireo Kandida solombavambahoaka farany teo dia lasa 3 taona izao no alaina amin’ny Kandida Ben’ny tanana. Manampy trotraka izany hoy hatrany ity Kandida ity ny fitakiana certficat de nationalite. Tsy mifampatoky ve ny mpitondra hoy izy ary iza no mamokatra ny karapanondro tsy ny ministeran’ny Ati-tany ve ? Ho an’ireo mpanolontsaina miaraka aminy izao dia nambarany fa anio Alatsinainy 16 Septambra hariva vao azo ny certificat de nationalite Malagasy nefa ny karapanondrom-pirenena eny an-tanana efa Malagasy. Mety hanontaniana ny kandida koa angamba atsy ho atsy ny hoe : lahy sa vavy ilay olona hifaninana hoy hatrany ity Kandida ity na dia efa fantatra aza izany. Miombon-kevitra amin’ireo mangataka ny hanalavana ny fe-potoana hikarakarana ny dosie hilatsakan-kofidiana ho Ben’ny tanana araka izany ity Kandida iray ity mba hahafahan’ny olona mifaninana.
Pati
Legende : Rado Ramparoelina, mbola Kandida Ben’ny tanana ao anatin’ny Kaominina Ampitatafika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT