RADO RAMPARAOELINA

Misy fetrany io lainga hafafin'ny Fitondram-panjakana io N


  • Alakamisy 02 Oktobra 2025

ivoaka tamin'ny fahanginana naneho

ny heviny mikasika ny zava-misy eto amin'ny Firenena ankehitriny Rado Ramparaoelina, Ben'ny tananan'ny Kaominina Ampitatafika, distrikan'Atsimondrano omaly. Nambarany fa misy farany io lainga hafafin'ny Fitondram-panjakana isan'andro amin'ny vahoaka io. Rariny sy hitsiny loatra raha tonga amin'ny fitakiana tahaka izao isika hoy izy satria tsy mba nisy mihitsy ny fotoana nihainoana ny vahoaka na ny toerana nanomezana sehatra azy ireny fa ny fampanantenana poakaty no bé dia bé. Malahelo ny vahoaka vokatr'izany. Zo fototry ny tsirairay hoy izy ny hisitraka rano sy jiro arahin'ny fanatsarana ny lafiny sosialy hafa. Tsy mety kosa anefa hoy izy ny fandrobana satria tsy mpiasam-panjakana mandray karama isam-bolana fotsiny avokoa ny rehetra fa misy mandraharaha....Ho an'ny kaominina Ampitatafika manokana dia nomarihiny fa tena manana alahelo amin'ny hafitsoky ny fanjakana izy ireo. Tsy nosoniavin'ny tompon'andraikitra misahana ny hetra eny Itaosy mihitsy mantsy ny imprimer nandanian'ny kaominina vola hozaraina amin'ny isan-tokantrano handoavana hetra fa miandry QR Code izany, hono, hoy ity Ben'ny tanana ity. Mamelona mpiasa maro anefa ny kaominina Ampitatafika no sady manana andraikitra hanatsarana ny fiainan'ireo vahoaka ao aminy ihany koa. Avereno amin'ilay fomba fiasa teo aloha araka izany hoy Rado Ramparaoelina ny fikarakarana ireo imprimer tokony hosoniavina ireo fa aza hiandrasana QR Code izany. Raisinay ho sakana tsy hampandrosoana ny kaominina Ampitatafika izany hoy izy. Raha sanatria kosa ka tsy hay ny mampiasa izany hoy hatrany Rado Ramparaoelina dia mandehana mianatra kely aloha ianareo tompon'andraikitra. Tsiahivina moa fa manana solontena mandray anjara amin'ny grevy hatao isan'andro ny kaominina Ampitatafika.
Pati
Légende : Rado Ramparaoelina, Ben'ny tananan'ny Kaominina Ampitatafika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT