Politique

Rado Ramparaoelina Mbola ho kandida ben’ny tanànan’Ampitatafika


  • Zoma 30 Aogositra 2019

Azo lazaina ho efa saika azo daholo ireo taratasy sarotra alaina amin’ny filatsahan-kofidiana toy ny resaka hetra, ny bileta laharana fahatelo, ny fanamarinana maha olompirenena.

 

Tsy mbola voafaritra moa ny mikasika ny sara na « caution », hoy ny ben’ny tanànan’Ampitatafika, Rado Ramparaoelina, raha nanamafy ny fahavononany hilatsaka hofidiana indray omaly. Hilatsaka amin’ny anarana antoko sa tsy miankina fa rehefa milamina ireo, hoy izy, dia tokony hipetraka ny talata na alarobia izao ny filatsahan-kofidiako. Anton’ilay fandresen-dahatra mbola hirotsaka moa dia misy ireo mpamatsy sady mpampandroso izay nampiasa ny volany teto amin’ny kaominin’Ampitatafika. Tapitra izay ny fanotofana tany ka hiditra amin’ny fananganana amin’izay izao. Fananganana fotodrafitrasa mitohy amin’ny fanodinana ny orinasa mitsangana eo no manaraka. Imatimatesako ny hoe 80 na 90%-n’ny mpiasa ao mba ho mponina Ampitatafika, hoy izy. Ny tena tanjona amin’izay dia mba hihena ny tsy fananana asa. Ho afaka hampiana-janaka sy hanana tokantrano marin-toerana ary afaka hanatanteraka adidy eo amin’ny fiarahamonina ireo vahoaka. Anisan’ny nisongadina tamin’iny taom-piasana 2015 – 2019 iny, hoy ny tenany, ny fahazoana ilay tetikasa PUD izay natao hampivoarana ny renivohitra. Teo koa ny fahazoana ilay 450.000 Euro avy amin’ny vondrona eoropeanina rehefa niombona tetikasa ho fanatsarana azy ny kaominin’Ampitatafika sy Fenoarivo ary niara-nangataka io famatsiana io. Ny tetikasa Lalankely “phase 3” izay nahavitana 6 km novatsian’ny AFD vola koa ao anatin’izany, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT