RADO RAMPARAOELINA

Fanavotam-pirenena no anton’ izao tolona izao


  • Alakamisy 12 Oktobra 2023

Naneho ny heviny mikasika ny tolona tanterahin’ireo Collectif des candidats omaly ny Ben’ny tananan’Ampitatafika

Rado Ramparaoelina, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko politika Tiako I Madagasikara. Nambarany fa tolona hitondra mankany amin’ny vahaolana hanavotana ny firenena izao tanterahin’izy 11 lahy sy ny vahoaka mpanohana azy izao ka tokony hifanome tanana ny samy Malagasy hahafahana mampandresy izany. Ny fifidianana tsy maintsy hisy hoy izy na rahoviana na rahoviana saingy mety hihemotra kosa. Maro amin’ireo kandida mpifaninana mantsy hoy izy no naratra vokatry ny herisetra hataon’ireo mpitandro ny filaminana ka anisan’izany ilay lasa nitsabo tena any am-pitandranomasina izay tsy maintsy andrasana…Notsiahiviny moa fa tolona amim-pilaminana ity tanterahina ity fa tsy misy ambadika. Tsy mbola nisy hatreto hoy izy ireo magazay nitaraina fa vaky na fiara nisy nandoro fa vahoaka milamina tanam-polo maneho ny heviny no tonga manatontosa izany tolona izany mba ho tombontsoan’ny taranaka faramandimby. Mikasika ny fanonganam-panjakana nataon’ny governemanta kosa dia notsiahiviny fa ny fiverenana amin’ny ara-dalana ihany no vahaolana dia ny fanolorana ny fitantanana ny firenena ho an’ny filohan’ny Antenimieran-doholona Herimanana Razafimahefa, araka ny lalana velona sy misy eto amintsika.
Pati
Legende : Rado Ramparaoelina, Ben’ny tananan’Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT