Rabearivololona Gervais

> Vavolombelon’ny zava-bitan-dradoko


  • Alatsinainy 25 Novambra 2013

Mpiara-miasa akaiky amin’ny Dr Robinson Jean Louis Atoa Rabearivololona Gervais. Mpanolotsaina teknikany izy fony itsy voalohany Minisitry ny fahasalamana, ary mpamita iraka indray fony izy Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena.

Iray lisitra tamin’ny Dr Robinson Jean Louis tao Amparafaravola izy tamin’ny fifidianana Depiote 2007, ka nahazoany fandresena 83%. Ben’ny tanànan’i Tanambe tamin’ny 2002 Atoa Rabearivololona Gervais ary mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana any Amparafaravola ankehitriny. Nijoro vavolombelona amin’ny zava-bitan-dradoko faha minisitra izy, toy ny nanaovana ny Hopitaly fandidiana ao Andilamena izay nanala ny fahasahiranan’ny vahoaka tokoa, hopitaly tao Vohimena, Tanambe, Ampasikely, Ambatomainty, Morarano-Chrôme, ary nanao fanamboarana tao amin’ny Hopitaliben’Ambatondrazaka. Nampahatsiahy Atoa Rabearivololona Gervais fa fanambin’ny Dr Robinson Jean Louis ny hanao Distrika an’i Tanambe raha lasa Filoha izy. Tamin’ny taona 1993, nitondran’ny Filoha Zafy Albert no nangataka mba ho Distrika i Tanambe. Nahazo Departemanta izy taorian’izay. Nisy didim-panjakana nivoaka saingy tsy nisy fanatanterahana hatramin’izao.

Fandresena miezinezina no azon’i Robinson Jean Louis tamin’ny fihodinana voalohany. Tapa-kevitra ny vahoakan’ny Faritra Alaotra Mangoro ny hanohana azy amin’ny fihodinana faharoa, hanohy ireo tetikasa efa vitany tany fony izy Minisitra sy amin’ny maha zanak’Alaotra azy. Marihana fa avy aty Ampasikely, Distrikan’Amparafaravola izy. Misy ny Faritra mangetaheta hanana izany Filoha izany nefa dia nomen’Andriamanitra antsika eto amin’ny Faritra Alaotra ny fahasoavana, koa dia aoka hampiseho firaisankina sy firaisan-tsaina hanohana azy, Atoa Rabearivololona Gervais.

 

Rakotobe

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT