Ra mandriaka teny Mahamasina

Milaza ny « forces» fa fiarovan-tena no nataony


  • Alatsinainy 13 Novambra 2023

Raha ny serasera nataon’ny « forces » tamin’ny Central d'Antananarivo, Andry Ny Aina Radanielson

eto Antananarivo mikasika ny toe-draharaha teny Mahamasina omaly, dia hofotorina noho ny fikasana hitarika vahoaka eny amin’ny 13 may ny depiote Fetra Ralambozafimbololona. Nambara fa nanome toromarika ny olona hoe : andao hidina eny amin’ny 13 may no antony. Ao anatin’ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena anefa no isehoan’izany, izay tsy azo atao raha tsy mahazo alalana avy amin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena, raha ny fanazavana fohy nataon’io Filohana andrim-panjakana io omaly teny Tsimbazaza. Mikasika ny fihetsiky ny «forces» izay nitarika faharatrana olona maro, nambara fa fa fiarovan-tena na « légitime défense » satria nisy ekipan’izy ireo iray nambara fa saika hanaovana fitsaram-bahoaka satria lavo tamin’ny tany mihitsy, ka nambara fa nanavotra an’iny ny namany, hoy ny fanazavana. Nambara fa niaro ilay zandary lavo tamin’ny tany, ary avy eo novonjen’ny namany. Nambara fa ny basy lehibe nampiasana bala fingotra ihany no nampiasaina, ka mahagaga, hoy izy ireo, ny fahitana iny bala kely iny satria tsy nisy mpitandro filaminana nampiasa basy poleta, hoy hatrany ny fanazavana. Nambara fa tsy fantatra ny nihavian’ilay bala. Nilaza hanokatra fanadihadiana noho izany izy ireo mikasika iny tranga iny. Samy manana ny mety handikany an’io ny rehetra, saingy misy ihany ny mametra-panontaniana eo anatrehan’ny horonan-tsary izay maneho ny nitazonana ilay lehilahy iray sy nitifirana azy akaiky dia akaiky hoe : tena noho izy saika hitarika fitsaram-bahoaka tokoa ve no nitifirana azy sa noho izy nosintonin’ny sivily hafa ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT