Politique

R.F.M Tsy hitondra fitoniana io lalàm-pifidianana io


  • Sabotsy 07 Aprily 2018

Tsy hita mazava izay fandraisan'andraikitry ny mpitondra manoloana ny zava-misy iainan'ny vahoaka Malagasy ankehitriny ary mandalo fotoan-tsarotra ny firenena.

Nitondra ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena ny mpandrindra nasionalin`ny fivondranamben’ny federalista eto Madagasikara na RFM, Atoa Andrianirina Max Fabien. Mila miverina manao fifanarahana indray mandeha ny governemanta sy ny fahefana mampanao lalàna mikasika ny lalàm-pifidianana, araka ny nambarany. Ilaina ny marimaritra iraisana mba ahafahan`ny rehetra mizotra mankany amin`ny fifidianana ary manao antso avo amin`ny rehetra amin`ny antenimieram-pirenena sy ny fanjakana mba hisian`ny firaisam-pirenena.  Nohamafisiny fa tsy hitondra fitoniana io lalàm-pifidianana vao lany io raha atao amboletra. Notsindriany fa ny fifidianana lalàmpanorenana ihany no idealy mialoha ny hanatanterahana fifidianana filoham-pirenena. Ny lalàmpanorenana no mametraka ny rafitra liberaly apetraka eto amin`ny firenena fa tsy fanjakana tokana izay mitondra disadisa toy izao. Amin`ny fijeriny sy mahasoa ny vahoaka hitandroana ny tombontsoa iombonana dia ny fanatanterahana fitsapan-kevi-bahoaka no tokony himasoana. Ho an`ny RFM dia anisan`ny nampitotongana ny firenena ny fampiharana ny rafitra fanjakana tokana ka tsy azo ihodivirana ny firosoana amin`ny rafi-pitondrana federalisma. Ny RFM dia anisan`ireo hanolotra olona hofidiana amin`ny fifidianana filoham-pirenena raha ny tapaka nandritra ny fikaonan-doha natao tetsy Antaninarenina ny volana martsa lasa teo.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT