Prospérin Tsialonina

«Azo tsikeraina ny rafitra misy ankehitriny


  • Alatsinainy 19 Janoary 2026

azo ovaina sy hatsaraina…»

Tsy mitombina izao, hoy ny mpandraharaha, Prospérin Tsialonina. Amin’ny anaran’inona no anomezana toerana sy lanja ara-politika ho an’ireo antoko tsy manana depiote, tsy manana ben’ny tanàna ary tsy manana fahazoan-dalana avy amin’ny vahoaka tamin’ny fifidianana, hoy izy? Tsy azo faritana an-taratasy ny maha solontena fa atsangan’ny safidin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fifidianana izany. Ny fandravàna ireo andrim-panjakàna voafidy rehetra ka soloina fanendrena vokatry ny fifanarahana politika, tsy fanorenana izany fa fanapahana tampoka ny demokrasia. Azo tsikeraina ny rafitra misy ankehitriny, azo ovaina sy hatsaraina. Ara-dalàna tanteraka izany saingy tsy hampiorina ny demokrasia ny fametrahana azy an-jorony, indrindra, raha omena sehatra mihoa-pampana ireo antoko tsy manana fototra sy fanohanana avy amin’ny vahoaka. Miala tsiny fa ity karazana fandaminana ity dia toa vazivazy amin’ny faran’ny herinandro mihoatra noho ny tetikasa matotra ho an’ny hoavin’ny firenena, hoy hatrany izy mantsy ireo antoko politika miisa 103 voalaza fa nanasonia fifanarahana politika tetsy Mahamasina ny faran’ny herinandro teo.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT