Tsy finiavana hitsikera na hanakiana, fa tahaka ilay fomba firesaka sy fiteny hoe: “lasa ny alika vao manangom-bato” hatrany ny fomba fiasan’ny fitondrana Rajoelina.
Tsy misy sori-dàlana mazava fa arakaraka ny zava-miseho no itondrana ny firenena. Tsy nisy fijerena ny sosialim-bahoaka firy hatramin’izay, kanefa ny toekarena ihany koa tsy hita izay vokatra, tsy misy zavatra tena voafehy: vidim-piainana, sandam-bola, famoronan’asa,... Akaiky ny fifidianana dia mijery hoe: inona no fomba sy hevitra hahafahana maka indray ny fon’ny mpifidy. Tombanana ho efa karazana fanombohana ny “précampagne” na fihetsiketsehana mialohan’ny fifidianana ny fanambarana ofisialin’ny Filoham-pirenena tany Ilaka Est ny sabotsy teo fa manomboka izao dia hidina ifotony hijery ny sosialim-bahoaka, fa ajanona ny fotodrafitrasa. Te hiteny sy hilaza fa ampandeferina ny zava-drehetra fa ny vahoaka no atao laharam-pahamehana. Asa izay endrika isehoan’io fa tombanana avy hatrany fa hohamafisina ny kizarazara sy ny kisehoseho, hanehoana fa tena Fanjakana mitsinjo sy mijery ny fahasahiranan’ny Malagasy. Handeha ny endrika propagandy ankolaka mialohan’ny fotoana ho vita, izay mazava ho azy fa ny volam-panjakana no hampiasaina amin’izany. Tsy misy maharatsy ny mizara sy manome zavatra ho an’ny vahoaka, raha ho izay ny endriny, ary efa ela aza izany no tokony ho natao, saingy ny tena irariana sy tadiavin’ny besinimaro dia ny hisian’ny vahaolana maharitra. Raha tarafina amin’ny famazavana “vary tsinjo” sy “tosika fameno” na fanomezana hafa hatramin’izay mantsy, ampahan’olona ihany no misitraka izany, ary efa manana antontan-kevitra na “base de données” manokana ny Fanjakana ao anatin’izany. Tsy mahomby intsony ny resaka vonjitavanandro satria ny tena zava-misy eto, ny Malagasy 27 tapitrisa no efa sahirana amin’ny vidim-piainana, tsy fananan’asa, fitotonganan’ny fihariana,… ary mila paikady mazava fa tsy vitan’ny zavatra mandalo amin’ny alalan’ny kitsinjotsinjo sy kizarazara amin’ny ampahan’olona izay ilaina, saingy tsy maharitra, ary avy eo hiverina ho sahirana ihany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.