Propagandin-dRajoelina tao Fianarantsoa

Tsy tazana ny Filohan’ny Antenimierampirenena…


  • Alatsinainy 16 Oktobra 2023

Isan’ny faritra nanaovan’ny kandida Andry Rajoelina fampielezan-kevitra ny faran’ny herinandro teo tao Fianarantsoa.

Nanakoako ren’ny Nosy iray manontolo ny fifankatiavantsika androany ry Fianarantsoa. Tsy mbola nisy fandraisana mafana noho izao nataonareo androany izao teto hatrizay. Voaporofo fa mahay mamaly fitia ny mponina eto », hoy i Andry Rajoelina izay nilaza fa teo anilan’ny vahoakan’i Fianarantsoa hatrany ary naman’izy ireo na tao anatin'ireo sarotra. Nilaza fa betsaka ny asa vita sy efa natomboka, ary nampanantena fa hiompana misimisy kokoa amin'ny fanampiana anareo mponina isika manomboka izao. Raha ny fanamarihana avy any an-toerana kosa dia tsy tazana ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa nandritra io fampielezan-kevitra nataon-dRajoelina io. Fifandrifian-javatra sa antony ara-politika lehibe? Raha ao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa izany, dia ity Filohana andrim-panjakana ity no isan’ireo mpanao politika azo heverina ho manana ny tanjany ao, ary izy rahateo no filoha am-perinasan’ny Fikambanan’ny Zanaky ny Faritanin’I Fianarantsoa. Raha hiverenana, ny volana febroary lasa teo nandritra ny fihaonamben’ny FIZAFAFI no nanambaran-dRtoa Christine Razanamahasoa hoe: “omenay anao ny vatonay Andriamatoa Filoha, fa omeo anay faritanin'i Fianarantsoa ny Praiministra (mahazoarivo) sy ny ao amin'ny Assemblée Nationale (Tsimbazaza) ary tsy tokony ho latsaky ny 10 ny ministra avy aty aminay ao anaty Governemanta". Tsy izay aloha ny sary miseho, ary isan’ny nahatezitra ny zanaky ny faritanin’I Fianarantsoa sy ny olom-boafidin’I Tsimbazaza ny voalaza fa nampitomaniana io Filohana andrim-panjakana io ny desambra 2022 tamin’ilay raharaha fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Vao herinandro ihany koa izay no nisian’ilay fanambarana nataony amin’ny tokony hanajana ny zon’olombelona, ny lalàna velona, ny Fanjakana tan-dalàna satria niaiky Rtoa fa mafampana ny toe-draharaha. Misy lanjany sy dikany lehibe ara-politika na iny fanambarana nataony iny, na ny tsy fahatazanana azy nanotrona ny propagandin’ny kandida Andry Rajoelina. Sarotra ny hahazoan’i Andry Rajoelina an’i Fianarantsoa raha tena handeha ny fifidianana, ary ny sary miseho ankehitriny dia avy ao anatin’ny Faritanin’i Fianarantsoa ihany koa ny kandida Brunelle Razafitsiandraofa izay efa nisara-dalana tanteraka aminy, misy kandida hafa tena akaiky ny fon’ny vahoakan’i Fianarantsoa ihany koa,… Na izany na tsy izany, mbola betsaka ny baraingo momba ny zotram-pifidianana satria mbola mandeha ny fitakiana fanadiovana izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT