Diso ny fomba fijery mampisongadina ny fitoniana sy ny filaminana manoloana ny rariny amin’ny toe-draharaham-pirenena lalovan’i Madagasikara ankehitriny, hoy ny profesora Ranjeva Raymond.
Tsy hitondra antsika any amin’ny tena fahalemana eo anivon’ny fiarahamonina velively ny tsy fanajana ny fahamarinana sy ny rariny, hoy ny fanampim-panazavana nomeny. Ny tena vahaolana azo antoka fa eken’ny vahoaka Malagasy iray manontolo dia ny fandraisana fepetra tsotra, manaja ny lalàna sy ny rariny ary azon’ny daholobe dia ny famerenana ny fanisana ireo bileta eo, hatrehan’ny besinimaro, tanterahan’ireo solontenan’ireo kandida roa mpifaninana mialoha ny fanambarana ofisialy hotanterahan’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana, hoy hatrany ity mpitsara iraisam-pirenena nitondra avo ny voninahitry ny firenena malagasy ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.